Manao hetsika fanoherana ny fakàna an-keriny sy ny famonoana azy ireo ny vehivavy Meksikana

Famoriam-bahoaka tao Zocalo, tanandehiben'i Meksika tamin'ny 2 Febroary. Saripikan'i Jer Clarke , nahazoana alalana.
Ny 2 Febroary 2019, nameno ny araben'ny tanandehiben'i Meksika sy ny tambajotra sosialy ireo vehivavy Meksikana niaraka tamin'ny hiaka sy tenirohy toy ny #VivasNosQueremos (tianay ho velona izahay), # NiUnaMás (tsy tokony hisy vehivavy iray hafa intsony), ary #NoEstamosSolas (tsy irery izahay) ho fanoherana ny antontanisa mampalahelo mampiseho ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao amin'ny fireneny. Vehivavy sivy eo ho eo no maty isan'andro ao Meksika tamin'ny taona 2018, araka ny Vaomieram-pirenena misahana ny Zon'olombelona.
Olona miisa 4.000 eo ho eo no nivory teo amin'ny Monumento a la Madre ary nanao diabe nankany Zócalo any an-drenivohitr'i Meksika. Ny alina talohan'io, vehivavy an-jatony no nandray anjara tamin'ny fandehanana am-bisikileta tany amin'ireo tanàndehibe Meksikana miisa 13 samihafa – tao an-drenivohitra fotsiny no nahitana ny mpitaingina bisikileta efa ho 200 – ho an'ny Rodada ho aina sy fahafahan'ny vehivavy .
Niseho ny fihetsiketsehana taorian'ny fanadihadiana nataon'ny gazety El País izay nanambara fa olona miisa 153, vehivavy ny ankamaroany no nalaina an-keriny tanaty metro tao an-tanandehiben'i Meksika tao anatin'ny efa-taona. Mitaky ny famaranana ny famonoana vehivavy ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny fametrahan'ny manampahefana fepetra fiarovana azo antoka ho an'ny vehivavy eny amin'ny rafitra fitateram-bahoaka .
Nanatrika ny fihetsiketsehana tamin'ny 2 Febroary tao an-tanàndehiben'i Meksika ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, Jer Clarke ary nanatontosa ity lahatsary ity :
Narahana tao amin'ny tambajotra sosialy ny famoriam-bahoaka ary nankalazaina tamin'ny tenirohy toy ny #LaNocheEsNuestra (Anay ny alina) sy ny #LaCalleEsNuestra (Anay ny arabe).
Mampiseho ny vehivavy mihiaka hoe “aoka izay, tsy mila vehivavy vonoina iray hafa intsony” nandritra ny fitaingenana bisikileta ny horonantsary iray nanaovan'i Ruido en la Red sioka:
Rodada ciclista en la Diana Cazadora para protestar en contra de los actos violentos que se han presentado en los últimos días contra mujeres. pic.twitter.com/7lv1cvUn0N
— Ruido en la Red (@RuidoEnLaRed) 2 de febrero de 2019
Misy ny hetsi-panoherana iray hafa izay kasaina hatao amin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy amin'ny 8 Martsa.
“Androany, nitranga tamiko izany.”
Niteraka fanafintohinana ho an'ny maro tao amin'ny aterineto nanomboka tamin'ny fotoana nivoahany ny volana Janoary 2019 ilay fitantarana tao amin'ny El País momba ny fakàna an-keriny.
Nanambara ireo fomba mampivarahontsana samihafa ny fijoroana vavolombelona izay nahitana ny fomba fakana an-keriny ireo vehivavy any anaty metro – ary ny tsy firaharahian'ny manodidina zary manampy ireo mpanafika.
Tao amin'ny Facebook, nanoritsoritra ny zavatra niainany tamin'ny fitsoahana ny fakana an-keriny i Eunice Alonso:
Pues ahora me tocó a mi.
Hace un rato me encontraba en la estación del metro Boulevard puerto aéreo, estaba esperando a que llegara el metro y un joven de entre 20 y 25 años se me acercó muchísimo y sentí que recargó algo en mi costilla […] al principio creí que me iba a asaltar, pero me dijo: “vas a salir conmigo y verás una camioneta blanca, te vas a subir y si alguien te dice algo dices que es tu uber”. Me quedé paralizada y comenzó a darme un ataque de ansiedad por lo que empecé a llorar, y una señora (a la que no tuve oportunidad de preguntarle su nombre) me dijo: ¿estás bien?, no pude contestarle y se dio cuenta de lo que estaba pasando que empezó a gritar: “fuego, fuego”. Y la gente empezó a vernos y un policía se acercó; fue así como el joven me soltó y se dio a la fuga.
Eny, nitranga tamiko izany androany .
Fotoana vitsy lasa izay raha tao amin'ny fiantsonan'ny metro Boulevard puerto aéreo aho, niandry ny fiaran-dalambiko dia nisy tovolahy teo ho eo amin'ny 20 ka hatramin'ny 25 taona teo nijoro tena teo akaikiko teo. Tsapako fa nanisy zavatra tao an-damosiko izy […] Tamin'ny voalohany, noheveriko fa hanendaka ahy izy, saingy nilaza izy avy eo hoe “araho aho, ary rehefa mahita fiara miloko fotsy ianao, dia midira ao anatiny, ary raha misy olona manontany anao dia ilazao fa Uber anao io”. Nangovitra aho ary nanomboka natahotra mafy. Nanomboka nitomany aho. Avy eo, nisy ramatoa iray (tsy fantatro akory ny anarany ) nanontany ahy hoe: “Fa maninona ianao?”, Ary niantsoantso izy hoe “may! may!” rehefa tsy afaka namaly aho. Nanomboka nijery anay ny olona, avy eo dia nisy polisy nanatona, ary nandositra ilay lehilahy [izay nihazona ahy].
Nampiasa ny paikady izay natolotr'ireo manam-pahaizana manokana ilay vehivavy ato amin'ity tantara ity: hiantsoantso ny teny toy ny “afo” na “horohorontany” rehefa mangataka fanampiana mba hampifantoka ny mason'ny mpandalo sy ny mpitandro filaminana nefa tsy mampiharihary ilay mpanafika mivantana (satria mety hiteraka fanoherana mahery vaika avy aminy izany).
Namorona ny tobin-dahatahiry ifarimbonana ho fanehoana an-tsarintany ny zava-nitranga tahaka ny iray etsy ambony tao amin'ny fiantsonan'ny metro tao Meksika ny vondron'asa fanaovan-gazety fanao lahatahiry Serendipia DATA .
Activistas recopilaron 210 testimonios sobre intentos de secuestro de mujeres en #CdMx y #EdoMex. En este #mapa los puedes explorarhttps://t.co/5jgRpC9E3f pic.twitter.com/BPjGJXrac3
— Serendipia (@SerendipiaData) 6 de febrero de 2019
Nahangona fitantarana miisa 210 momba ny fakana an-keriny tao an-tanàndehiben'i Mexico sy tao amin'ny fanjakan'i Meksika ireo mpikatroka. Azonao jerena [ny fijoroana vavolombelona amin'ny antsipiriany] ao amin'ity sarintany ity.
Nisy ezaka mitovy amin'izany natomboky ny fantsom-pahitalavitra an-tserasera Rompe Viento izay miorina amin'ny lahatahiry nangonin'ny mpisera Facebook .
Soso-kevitra
Ny 1 Febroary, nihaona tamin'ireo niharam-boina, ny fianakaviany ary ireo vondron'ny fiarahamonim-pirenena ny manampahefana ao an-tanandehiben'i Mexico mba hiara-hamolavola drafitra hiadiana amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy eny an-kalamanjana.
Nanolotra fepetra ny manampahefana toy ny fametrahana vondrona avy ao amin'ny biraon'ny mpampanoa lalàna mifindrafindra natao manokana hanampiana ireo vehivavy niharan'ny herisetra rehefa mampiasa ny fitateram-bahoaka. Nampanantena ihany koa ireo manampahefana fa hanatsara ny fahazavan'ny jiro eny amin'ny manodidina ny fiantsonan'ny metro ary hanamafy ny fanaraha-maso.
Saingy maro no mihevitra fa tsy ampy izany. Any Meksika, maherin'ny 90 isanjaton'ny heloka bevava no tsy voatatitra noho ny tsy fisian'ny fitokisana manampahefana. Maro amin'ireo niharam-boina no matahotra valifaty, na matahotra noho ny fisalasalan'ny manampahefana momba ny zavatra niseho taminy.

Hetsi-panoherana tamin'ny 2 Febroary tao an-tanandehiben'i Mexico. Saripikan'i Jer Clarke, nahazoana alalana.
Toa nahitam-bokany ny tsindry ataon'ny olom-pirenena satria mba nitombo fara-faharatsiny ny isan'ireo fitarainana avy amin'ireo vehivavy voatafika teny amin'ny rafitra fitateram-bahoaka tao an-drenivohitra. Noho izany, afaka nanoritsoritra ny endrikendriky ny zava-niseho tamin'ireo niharam-boina ireo manampahefana .
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...