Syria: Bilaogera voasambotra, mpanao gazety tsy hita

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2011)

Nandritra ny famoretana ny hetsi-panoherana tao Daraa, Syria, mpanao gazety iray no voalaza fa tsy hita, raha bilaogera iray kosa no voalaza fa voasambotra fotoana fohy taorian'ny namotsorana azy tamin'ny fisamborana teo aloha.

Milaza ireo mpisera Twitter fa tsy mety tratra antso i Khaled Elekhetyar, Syriana mpanao gazety sady bilaogera, ary nisy nijirika ny kaontiny Facebook ka nampiasaina handefasana fampielezan-kevitra manohana an'i Assad.

@ramiar nisioka hoe:

@wissamtarif #Syria journalist Khaled Elekhetyar unreachable – meanwhile his fb account is hacked and spammed with pro-Asad propaganda..

@wissamtarif #Syria tsy tratra antso i Khaled Elekhetyar, mpanao gazety – mandritra izany, voajirika ny kaontiny fb ary misy spam fanehoan-kevitra manohana an'i Asad.

Nanomboka ny kaonty twitter i Adnan Shami mba hitatitra izao manaraka izao:

الصحفي خالد الإختيار غائب عن الإنترنت ولا يمكننا الاتصال به منذ أكثر من أربع وعشرين ساعة #syria

Tsy hita ao amin'ny aterineto i Khaled Elekhetyar, mpanao gazety ary tsy tratra antso nandritra ny 24 ora mahery.

Nilaza ny naman'i Khaled iray tsy te-hitonona anarana hoe:

Spoke to him last time around 10pm on 21 march..he was organizing the protest for 22 march in front of Palace of Justice..when we last spoke (10pm the day before the supposed to be protest) he looked scared and concerned for security of the people he knew…last FB msg he wrote was around 10am (you can check on his profile) on 22, protests were supposed to start at 12pm, then silence, his phone always shut down and now these strange messages on his FB profile which really seems to have been hacked or something…

Niresaka taminy farany tamin'ny 10 ora hariva tamin'ny 21 martsa .. nikarakara ny hetsi-panoherana amin'ny 22 martsa teo anoloan'ny Lapan'ny Fitsarana izy… rehefa niresaka farany izahay (tamin'ny 10ora hariva, andro mialoha ny hetsi-panoherana) hita fa natahotra sy niahiahy ny fiarovana ireo olona fantany izy … Ny hafatra farany nosoratany tao amin'ny FB dia tamin'ny 10 maraina teo tamin'ny 22 marsa (azonao jerena ao amin'ny rindriny), tokony ho nanomboka tamin'ny 12 ora ny hetsi-panoherana, avy eo nangina, tsy nandeha mihitsy ny findainy ary ankehitriny misy ireo hafatra hafahafa ao amin'ny FB-ny izay tena toa nisy nipiraty na zavatra hafa …

Mandritra izany fotoana izany, nosamborina indray ilay bilaogera Syriana Ahmad Abu Al-Khair  (@ahmadtalk ao amin'ny Twitter), izay nosamborina sy navotsotra tamin'ny volana febroary tamin'ity taona ity.

Mohammad Al Abdallah nitatitra hoe:

Urgent: Security forces arrests blogger Ahmed Abu El-Kheir in #Damascus#Syria #mar15

Vaovao maika: Nosamborin'ny mpitandro filaminana ilay bilaogera Ahmed Abu El-Kheir ao #Damascus#Syria #mar15

Mitohy mivoaka tsikelikely amin'ny alalan'ny fanakanana terena amin'ireo fampitam-baovao sy fifandraisana ireo tatitra manjavozavo avy amin'ny zava-mitranga ao Syria. @1SecularSyrian nisioka hoe:

Hero Soldier Khaled Al-Masri killed by his fellow soldiers for refusing to participate In storming Omari Mosque yesterday #Daraa #Syria

Miaramila maherifo Khaled Al-Masri novonoin'ireo miaramila namany noho izy tsy nety nandray anjara tamin'ny fifehezana ny moskea Omari omaly #Daraa #Syria

Bilaogera Yassin Sweha naneho hevitra hoe:

ﻣﺎ ﻳﺤﺪﺙ ﻓﻲ ﺩﺭﻋﺎ ﻻ ﻳﻤﻜﻦ ﻭﺻﻔﻪ ﺑﺎﻟﺠﻨﻮﻥ، ﻓﺎﻟﺠﻨﻮﻥ ﺍﺑﺪﺍﻉ، ﻭ ﻻ ﺍﺑﺪﺍﻉ ﻓﻲ ﻗﺘﻞ ﺍﻟﻨﺎﺱ ﺑﻞ ﺳﺎﺩﻳﺔ #Syria

Tsy mety fariparitana zava-mitranga any Daraa fa hadalana; Famoronana ny Hadalana, ary tsy misy famoronana amin'ny famonoana olona fa halozana fotsiny ihany.

Tsy mitsahatra ny tatitra momba ny famoretana feno herisetra. Narakitra omaly ny horonantsary manaraka ary mampiseho ireo mpitandro filaminana manao fanamiana sivily misambotra ireo olona sendra azy ireo eny an-dalambe:

Eo an-dalana ity tantara ity ary homena ny vaovao farany rehefa vonona ny antsipirahany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.