- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nandràra ny tranonkala Toniziana Nawaat tamin'ny famoahana lahatsary ny YouTube 

Sokajy: Tonizia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Febroary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nitatitra [1] ny Tale Mpisolovava Sami Ben Gharbia, izay sady mpiara-manorina ny tranokalam-baovao Toniziana Nawaat fa tsy afaka namoaka lahatsary  tao amin'ny YouTube intsony ny tranonkalany Nawaat, taorian'ny fanapaha-kevitry ny ekipan'ny YouTube fa nahitana “votoaty manohintohina” ny lahatsary izay nokasain'izy ireo halefa. Namoaka ny hafatra voarain'ny Nawaat i Ben Gharbia, izay mivaky toy izao:

The following video(s) from your account have been disabled for violating the YouTube Community Guidelines:

Tunise : enfants des zones défavorisées (Nawaat)
While it might not seem fair to say you can’t show something because of what viewers theoretically might do in response, we draw the line at content that’s intended to incite violence or encourage dangerous, illegal activities that have an inherent risk of serious physical harm or death. It’s not okay to post videos showing bad stuff like animal abuse, drug abuse, under-age drinking and smoking, or bomb making. Any depictions like these should be educational or documentary and shouldn’t be designed to help or encourage others to imitate them.

This is the second Community Guidelines warning sanction your account has received within six months. Accordingly, the ability to post new content to YouTube from this account has been disabled and will not return until two weeks after you acknowledge this message. Please review the YouTube Community Guidelines and refrain from further violations, which may result in the termination of your account(s).

 

Nofoanana noho ny fanitsakitsahana ny Torolalana ho an'ny Vondrom-piarahamonina YouTube ity lahatsary manaraka avy amin'ny kaontinao ity :

Tunise : enfants des zones défavorisées (Tonizia: ny ankizin'ny faritra mahantra) (Nawaat)
Na dia mety tsy rariny aza ny milaza fa tsy azo atao ny mampiseho lahatsary noho ny mety ho fanehoan-kevitry ny mpijery dia mametra ny votoaty izay manao fandranitana herisetra na mandrisika hetsika mampidi-doza sy tsy ara-dalàna izay mety hiteraka ratra ara-batana na fahafatesana izahay. Tsy mety ny mandefa lahatsary mampiseho zava-dratsy toy ny fanatsinontsinoavina ny biby, ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fampisotroan-toaka sy ny fampifohana sigara ho an'ny ankizy tsy ampy taona, na ny fanamboarana baomba. Tokony hanabe na ho lahatsary fanadihadiana ny fandefasana lahatsary rehetra tahaka izany ary tsy tokony natao hanampiana na handrisihana ny hafa haka tahaka.

Ity no fampitandreman'ny torolalana ho an'ny vondrom-piarahamonina faharoa voarain'ny ny kaontinao tao anatin'ny enim-bolana. Noho izany, nesorina ny fahafahana mamoaka votoaty vaovao ao amin'ny YouTube avy amin'ity kaonty ity ary tsy hiverina raha tsy ao anatin'ny tapa-bolana aorian'ny fanekenao ity hafatra ity. Azafady mba avereno jerena ny Torolàlana ho an'ny Vondrom-piarahamonina YouTube ary tandremo ny fanitsakitsahana hafa, izay mety hanafoana tanteraka ny kaontinao.

Mampiseho ny andian'ankizy tanora Toniziana mifoka lakaoly sy miresaka momba ny fampiharana izany ny lahatsary izay resahana eto [2]. Mahazatra any amin'ireo tanora sahirana ao Tonizia io fomba io ary heverina fa zava-mahadomelina mampidi-doza indrindra. Heverina ho lahatsary voalohany avy amin'ny olom-pirenena amin'ny fanadihadiana mikasika ny fampiharana izany any Tonizia ity lahatsary ity.

Nanamarika izy ao amin'ny lahatsoratr'i Ben Gharbia ao amin'ny Nawaat  fa misy ny lahatsary hafa izay mety manitsakitsaka ny fitsipiky ny YouTube tokoa, anisan'izany ny iray malaza ratsy izay mampiseho ny fahafatesan'ilay Iraniana Neda Agha-Soltan [3] sy ny maro hafa izay mampiseho ny fahafatesan'ilay mpifaninana Lalao Olaimpika Georgiana Nodar Kumaritashvili.

Manana politika mitovitovy amin'izany ihany koa  ny tranonkala fifampizarana sary Flickr  izay nahazo tsikera tamin'ny taona 2007 rehefa nitaraina ny mpaka sary Holandey Maarten Dors fa nesorina [4] ny sariny [5] izay nampiseho tovolahy Romaniana tanora iray nifoka sigara. Naverin'i Flickr tatỳ aoriana ny sary ary niala tsiny tamin'i Dors [6] izy ireo.