- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mahatsiaro rahonan'ny bilaogera ny fitondrana ao Afovoany Atsinanana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Emirà Arabo Mitambatra, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2011)

Toy izany ny anjara toeran'ny bilaogera sy ny olo-tsotra tia mampita vaovao amin'ny fandrehetana ny vanim-potoanan'ny hatezerana manohitra ny didy jadona ao amin'ny faritra; hita ho loza mitatao ry zareo amin'ny toe-draharaha. Misy ankehitriny ny fanentanana fisamborana, fampitahorana sy fanorisorenana atao azy ireo.

Ao Bahrain, miatrika fanaraha-maso goavana ataon'ny manampahefana sy ireo izay manohana ny governemanta ankehitriny ireo bilaogera sy mpikatroka antserasera, hoy ny France24 [1]..

“Mohamed Al-Maskati, better known under the pseudonym of “Emoodz [2]” has been held in an unknown location since the 30th of March. The young man has been particularly active on his blog and social networks, where he discussed recent events in his country and in the Arab World. According to the organization “Reporters without Borders [3]“, Al-Maskati reportedly received threats via Twitter shortly before his arrest from a member of the royal family. Web users have been campaigning for his release ever since, by setting up a “Free emoodz [4]” thread and this blog on the micro blogging site.

And like Al-Maskati, dozens of influential bloggers and campaigners for freedom of expression have been targeted by the authorities”

“Notazonina tamin'ny toerana tsy fantatra nanomboka tamin'ny 30 martsa i Mohamed Al-Maskati, fanta-daza amin'ny solon'anarana hoe “Emoodz [2]” . Navitrika tokoa tao amin'ny bilaoginy sy tao amin'ny tambajotra sosialy ity tovolahy ity, niresaka ny zava-nitranga vao haingana tao amin'ny fireneny sy ny tontolo Arabo. Araka ny filazan'ny fikambanana “Reporters Sans Frontières [3]“, voalaza fa nahazo fandrahonana tao amin'ny Twitter i Al-Maskati taloha kelin'ny nisamboran'ny mpikambana iray tao amin'ny fianakavian'ny mpanjaka azy. Nanao fanentanana ho famotsorana azy nanomboka teo ny mpiserasera, tamin'ny alalan'ny “Free emoodz [4] sy ity bilaogy ao amin'ny tranonkala bilaogy bitika ity.

Ary tahaka an'i Al-Maskati, bilaogera manan-danja am-polony sy mpanentana momba ny fahalalaham-pitenenana no lasibatry ny manampahefana “

Ao Dubai, heverina ho oasis ahitana tontolo misokatra ho an'ny fihariana sy sakaizan'ny vahiny, bilaogera iray mitaky fanavaozana no nosamborina. Hoy ny Eurasia Review [5],

“An emirate paper said on Sunday that police in Dubai had arrested a blogger and a human rights activist, Ahmad Mansur, who has reportedly urged free elections and called for reforms in the country.

The National paper said police in Dubai had started a criminal investigation against Mansur but declined to specify the charges.”

“Nilaza ny gazety emiràty iray tamin'ny Alahady fa nosamborin'ny polisy tao Dubai ny bilaogera iray sady mpikatroky ny zon'olombelona, ​​Ahmad Mansur, izay voalaza fa nanentana hisian'ny fifidianana malalaka ary nitaky fanavaozana ao amin'ny firenena.

Nilaza ity gazety nasionaly ity fa nanomboka fanadihadiana heloka bevava tamin'i Mansur ny polisy ao Dubai saingy tsy nety nilaza izay fiampangana. “

Mbola mahagaga koa fa zava-malaza any Ejipta ny endrika “misokatra” an'i Dubai. Mihelina ankehitriny ny fotoanan'ny hatezerana sy ny rehareha any Afovoany Atsinanana. Mitatitra ny Los Angeles Times  [6]fa voaheloka higadra telo taona an-tranomaizina ny bilaogera iray noho ny fitsikerana ny miaramila.

“Maikel Nabil Sanad was arrested March 28 after writing on a blog [7] that “he was providing evidence proving that the military has been deceiving Egyptians” during and after the 18-day revolt that started Jan. 25 and ended with Mubarak’s ouster. A military council of top generals now runs the country.

Human rights advocates expressed puzzlement at Sanad’s sentence, especially after his lawyers were assured on Sunday that his judgment wouldn't be announced until Tuesday. But late Sunday he was discreetly found guilty and sentenced to jail.”

“Nosamborina tamin'ny 28 martsa i Maikel Nabil Sanad rehefa nanoratra tamin'ny bilaogy [7] fa” nomena porofo manamarina izy fa nandiso fanantenana ny Ejiptiana ny miaramila” nandritra sy taorian'ny fikomiana 18 andro izay nanomboka ny 25 Janoary ary nifarana tamin'ny fionganan'i Mubarak. Jeneraly ambony ao amin'ny filan-kevitry ny miaramila ankehitriny no mitantana ny firenena.

Naneho ny fahagagany tamin'ny sazy azon'i Sanad ireo mpiaro ny zon'olombelona, indrindra rehefa nomena antoka ny mpisolovavany tamin'ny alahady fa tsy hambara alohan'ny talata ny didim-pitsarana. Saingy ny alin'ny Alahady, nambara mangina fa meloka izy ary voaheloka higadra. “

Karazana demaokrasia inona no nampanantenaina ny vahoakan'i Ejipta raha toa ka heloka bevava azo saziana ny fitsikerana ny miaramila? ary “ambara mangingina” ny sazy?

Mazava fa tsy vonona ny handefitra mihitsy ireo izay maniry sy mitaky ny tsy hanovana na inona na inona, vonona ny hanohitra izay ezaka rehetra hametraka rafitra tena misokatra izy ireo. Raha mahatsiaro i Ejipta “afaka” fa tokony hatahorana ny bilaogera, inona no azontsika antenaina amin'ireo olon-kafa izay mbola mirehareha amin'ny fitondran'olon-tokana ataon-dry zareo?