Tantara tamin'ny 05 Marsa 2019
Ho fitiavana ny teny: boky tantara foronina voalohany natonta amin'ny teny Mro
Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-drazana ny 21 Febroary lasa teo ary ho fankalazana izany, namoaka sy nizara tantara foronony voalohany amin'ny endrin-tsotra teny Mro ho an'ireo foko monina any amin'ny faritra sisintany eo anelanelan'i Myanmar, Bangladesh sy India ny fikambanana iray mpanao asa soa.
Mahatsiaro rahonan'ny bilaogera ny fitondrana ao Afovoany Atsinanana
Raha mahatsiaro i Ejipta "afaka" fa tokony hatahorana ny bilaogera, inona no azontsika antenaina amin'ireo olon-kafa izay mbola mirehareha amin'ny didy jadon'izy ireo?
Maraoka : Ilay lahatsoratra nampiditra am-ponja an’i Mohammed Erraji
Nogadraina tao amin’ny fireneny nanomboka tamin’ny 8 Septambra 2008, ilay bilaogera Maraokana, Mohammed Erraji , noho ny fanakianany ny fanjakana. Ireto ambany ireto ny fandikana ny ampahany tamin’ilay lahatsoratra izay nahazoany roa taona an-tranomaizina.
Nandràra ny tranonkala Toniziana Nawaat tamin'ny famoahana lahatsary ny YouTube
Nitatitra ny Tale Mpisolovava Sami Ben Gharbia, izay sady mpiara-manorina ny tranokalam-baovao Toniziana Nawaat fa tsy afaka namoaka lahatsary tao amin'ny YouTube intsony ny tranonkalany Nawaat, taorian'ny fanapaha-kevitry ny ekipan'ny YouTube fa nahitana "votoaty manohintohina" ny lahatsary izay nokasain'izy ireo halefa.
Mpiasa, Vehivavy, Ahmadinejad & Ayatollahs
Maninona ireo mpianatra mpandalina ny finoana no tsy manao fihetsiketsehana manohitra ilay fanapahankevitry ny governemanta ? Misy anavahan-dry zareo an'ity governemanta ity amin'ireo teo alohany ve?
Bahrain: Bilaogera malaza voasazy higadra 15 taona an-tranomaizina miaraka amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona hafa
Sivy volana taorian'ny fisamborana ilay bilaogera malaza sady mpikatroka ny zon'olombelona Ali Abdulemam sy ireo mpikatroka hafa momba ny zon'olombelona sy ny politika tany Bahrain, dia nanameloka azy higadra 15 taona an-tranomaizina ny fitsarana miaramila.