- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Mibilaogy ihany koa ireo mpikatroka mpomba ny governemanta

Sokajy: Bahrain, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2011)

Anaovan'ireo ireo bilaogera marobe fitantarana isan'andro ny fitakiana fanovana ao Bahrain sy ireo trangan-kerisetra nihatra tamin'ireo mitaky ny fanovana. Mampiseho ny tolona ao amin'ny firenena izy ireo sy ny fiantraikan'ireo toe-javatra avy any ivelany amin'ny zava-mitranga. Mba miditra an-tsehatra ihany koa ireo bilaogera mpomba ny governemanta sy mpomba ny ireo mahazo toerana hanome endrika hafa ao anatin'ny adihevitra.

Miaiky ny tenany fa “mpankafy” ny printsy Bahrainita, sy midera ny ezaka ataony amin'ny famahana ny krizy ankehitriny ao amin'ny firenena i Suhail Algosaib [1]i, mpanoratra sady matihanina amin'ny fitness.

“I applaud your efforts in trying to bring a resolution to the February 14th crisis, which has left a deep wound in our society.  Despite the opposition’s arrogance, you’ve persisted in trying to bring a win-win resolution to the crisis.  God bless you.  In the end they’ve shown their true colours, and no one can fault you for your efforts.”

“Mankasitraka ny ezaka ataonao aho amin'ny fiezahana hitondra vahaolana amin'ny krizy 14 febroary, izay namela ratra lalina teo amin'ny fiarahamonintsika. Na dia teo aza ny fanoheran'ny mpanohitra, dia mbola nanohy niezaka nitondra vahaolana mahasoa ny roa tonta amin'ny krizy ianao. Tahian'Andriamanitra ianao. Nasehon'izy ireo ihany nony farany ny tena lokon'izy ireo, ary tsy misy olona afaka mandiso anao amin'ny ezaka ataonao. “

Nibilaogy momba ny fahaverezan'ny fitokisana ny mpanohitra ao Bahrain  [2] ihany koa i Algosaibi.

Namoaka antontan-taratasy navoakan'ny WikiLeaks ny Peace Bahrain [3]vao haingana, izay niampanga ireo mpikatroky ny zon'olombelona malaza ao amin'ny firenena ho voakaraman'i Iran. Namoaka lahatsary ihany koa izy ireo, izay milaza fa manavakavaka ny vondrom-piarahamonin'ny vahiny ao Bahrain i Nabeel Rajab [4]avy ao amin'ny Ivotoerana Bahrain misahana ny Zon'olombelona .

Namoaka lahatsoratra maromaro miteraka fisalasalàna amin'ny fitokisana ireo mpikatroka malaza, tahaka an'i Abdulhadi Al Khawaja, izay voasambotra amin'izao fotoana izao ihany koa ny Bahrain Independent [5].

“Following his exile due to his contribution in the failed coup and throughout the 1980s, Al Khawaja played a leading role in the IFLB (Islamic Front for the Liberation of Bahrain) cell in Iran and was even involved in military aspects of the organization. He was later granted asylum in the Denmark, in addition to being granted a Danish passport.  In the mid-90s he established the Bahrain Human Rights Organization in Denmark, the predecessor to the BCHR, and succeeded to a certain extend in penetrating and infiltrating a number of other legitimate international human rights organizations, in an attempt to grant his (and by default the IFLB’s) activities a more Euro-centric appeal and a legitimate cover.”

“Taorian'ny naha-sesitany azy noho ny fandraisany anjara tamin'ny fanonganam-panjakana tsy nahomby sy nandritra ny taompolo 1980, dia nitana toerana lehibe tao amin'ny IFLB (Manda Islamista ho an'ny fanafahana an'i Bahrain) tao Iran i Al Khawaja ary nandray anjara tamin'ny lafiny ara-miaramila tamin'ny fikarakarana mihitsy aza. Nomena fialokalofana tany Danemark izy taty aoriana, ankoatra ny fanomezana pasipaoro Danoà azy. Ny tapaky ny taompolo 90, nanangana ny Fikambanan'ny Zon'Olombelon'i Bahrain tany Danemark, izay mpialoha lalana ny BCHR izy, ary nahomby tamin'ny fidirana sy ny fisovohana ho ao amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena ara-dalàna hafa momba ny zon'olombelona, amin'ny fiezahana hanomezana fitokisana ny hetsika ataony (raha tsy ny IFLB) mifantoka mankany amin'ny Eoropeana kokoa sy hahazoana firakotra ara-drariny.

Raha mijery bilaogy mpomba ny governemanta sy mpomba ny mpitondra, dia hita fa misy lamina izorana. Manomboka amin'ny fampisalasalàna ny fitokisana ireo mpikatroky ny mpanohitra sy ireo mitaky fanovàna. Ny ankamaroan'ny andalana ampiasaina dia hoe mifanaraka amin'i Iran na ny Tandrefana ilay olona, na manao izany ho amin'ny tombontsoany manokana. Mahatonga fanontaniana iray izany, tsy misy fomba tsara kokoa hanaovana adihevitra tsy miampanga ny andaniny ho mivarotra amin'ny vahiny ve?