- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta : Nosamborin’ny tafika ary navotsotra avy eo i Wael Abbas

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Febroary 2011).

Anisan’ny fitantaranay momba an’i Ejipta [1] ity lahatsoratra ity.

Notazonina teo amin’ny adiny iray teo androany ilay bilaogera [2] Ejipsiana fanta-daza Wael Abbas izay nanampy tamin’ny fampahafantarana ireo fampijaliana sy ny herisetran’ireo mpitandro ny filaminana, izay nampitombo ny ahiahin’ireo mpisera Aterineto manerana izao tontolo izao. Anisan’ireo voatazona omaly ilay bilaogera [3] Sandmonkey izay teny an-dalana hitondra fanampiana ara-pitsaboana ho any amin’ny kianja Tahrir.

Wael Abbas

Wael Abbas

Niparitaka haingana ny siokany hoe ‘’nosamborin’ny tafika’’ ary nahatonga ireo namany hilatsaka tao an-kianja tao anatin’ny hadalan'ny fikarohana azy.

Navoaka nanomboka tamin’izay i Wael Abbas, saingy sorena izy tamin’ny fanakanana [4] azy ‘’isaky ny misy ny sakana’’, satria noahiahiana ho vahiny [5] izy sy ny namany. Nampitombo ny adiny tamin’ireo mpanao gazety ny fitondrana Ejipsiana, niaraka tamin’ny famoretana nifantoka [3] tamin’ireo mpikatroka politika sy ny fiarahamonim-pirenena omaly, ary ny mpanao gazety iraisam-pirenena ihany koa tetsy andaniny, ka namela ireo mpanao fihetsiketsehana tsy nisy mpitarika, ary nanampim-bava ny mpanao gazety tetsy ankilany. Tahaka ny zava-nitranga teo aloha dia tsy nahomby ihany koa izany ary feno ny hafaliana androany raha nilahatra nandritra ny tontolo andro aza ireo olona an-tapitrisany mba hiantso ny fialan’i Moubarak.

Nanohy nampita mivantana  ireo fihetsiketsehana tao amin’ny Bambuser i Wael Abbas, tahaka ireo mpikatroka maro hafa ao amin’ny Aterineto. Hita eto [6] ireo lahatsariny.

Ireto ny sasany tamin’ireo fanehoan-kevitra tao amin’ny Twitter, taorian’ny fanambarana momba ny fisamborana azy :

@OuiamY [7]: Le leader de la contestation de la jeunesse Wael Abbas et Michael Nabil arrêtés. C'est ça la liberté promise par le régime de Moubaraks ? #jan25 #tahrir

@OuiamY : Nosamborina ny mpitarika ny hetsi-panoheran’ny tanora Wael Abbas sy i Michael Nabil. Izany no fahalalahana nampanantenain’ny fitondrana Mobarak ?

@RamyYaacoub [8]: Dernière heure : il paraît que le blogueur Wael Abbas (@waelabbas) a été arêté par l'armée #Egypt #Jan25

@Ramy Yaacoub : Vaovao farany : toa nosamborin’ny tafika ilay bilaogera Wael Abbas.

@ahmed [9]: Wael Abbas (@waelabbas) vient de tweeter qu'il avait été arrêté par l'armée ! #Egypt #Jan25

@ahmed : Vao avy nisioka i Wael Abbas fa nosamborin’ny tafika izy !

Nitohy niraradraraka hatrany ireo sioka rehefa nandeha ny fotoana:

@ghazamfar [10]: #Egypt: Le blogueur arrêté Wael Abbas OK — 5 autres avec lui — Pourrait être sous la garde de la police militaire http://tinyurl.com/6egmefh #Jan25

@ghazmfar: Egypta: Nosamborina ilay bilaogera Wael Abbas – olona 5 hafa niaraka taminy- Mety notanan’ny polisy izy ireo.

Dia tonga ny vaovao tsara avy eo:

@weddady [11]: Quelqu'un peut-il SVP confirmer qu'il est libre ? RT @aonahrawy: @waelabbas vient d'être libéré de garde à vue @monaeltahawy @3arabawy @ShawkattRaghib

@weddady : Misy olona afaka manamarina ve AZAFADY fa afaka izy ?
@aonahrawy : Navotsotra rehefa notanana vetivety i Waelabbas

Lasa ihany koa ny fanontaniana momba ireo fampanantenana natao hanoherana ireo herisetra atao amin’ny mpanao gazety sy ireo mpanao fihetsiketsehana :

@bencnn [12]: #Egypt centre de presse dément politique officielle ciblant les journalistes. “Les actes de violence contre les journalistes sont inacceptables, les médias toujours bienvenus”

@bencnn : Nanda ny politika ofisialy hanaovana lasibatra ireo mpanao gazety ny foiben’ny gazety ao Ejipta. ‘’ Tsy azo ekena ny herisetra atao amin’ireo mpanao gazety, tongasoa hatrany ny fampahalalam-baovao’’

@Indiffirent [13]: Alors où est Wael Ghonim & pourquoi Wael Abbas a été arrêté RT@AlArabiya_Eng Le Premier ministre égyptien : le gouvernement s'engage à ne pas réprimer les manifestants#Jan25

@Indiffirent : Aiza ary i Wael Ghonim ary nahoana no voasambotra i Wael Abbas. Ny Praiminisitra Ejiptiana : manaiky ny tsy hanao famoretana amin’ireo mpanao fihetsiketsehana ny governemanta

Nandritra izany fotoana izany, nitohy hatrany ny fikarohana [3] an’ilay mpiasan'ny  Google Wael Ghonim , izay nanjavona hatramin’ny 25 Janoary (2011).

@monasosh [14]: Recherches pour @Ghonim continuent, si vous avez UNE info envoyez email à infoaboutwael@google.com ou appelez le +44 20 7031 3008. Faisons revenir notre ami #Jan25

@monasosh : Mitohy ny fikarohana an’i @Ghonim, mandefasa mailaka any amin’i infoaboutwael@google.com na miantsoa ny laharana +44 20 7031 3008 raha manam-baovao ianao. Ataovy izay hiverenan’ny namantsika

Nanome ny lisitr’ireo olona nosamborina hatramin’ny nanombohan’ny fihetsiketsehana tamin’ny 25 Janoary (2011) ny @ircpresident [15] :

أسماء المعتقلين بعد 25 يناير منها @om_elhol @nadeen_aboshady @waelabbas @Ghonim http://on.fb.me #Jan25
Ity no lisitr’ireo olona nosamborina taorian’ny 25 Janoary (2011)

crédit Photo credit: Hossam ElHamalawy [16]