Tantara tamin'ny 02 Marsa 2019
Niteraka fihetsiketsehana teo amin'ireo Angoley ny fisondrotan'ny saran'ny fangatahana pasipaoro
Niakatra 97 dolara Amerikana ny saran'ny pasipaoro ao Angola raha 8 dolara Amerikana izany teo aloha.
Maraoka: Nosamborina ilay bilaogera ary nomelohina avy hatrany
Notaterin'ny tranonkalam-baovao Hespress fa nosamborina tao an-tranony tao Agadir ilay bilaogera Mohammed Raji . Voalaza fa lahatsoratra iray izay navoakan'i Raji tao amin'ny Hespress no antony kanefa tsy mbola voamarina izany. Voalaza ny harivan'iny fa efa notsaraina sahady i Raji ary nomelohina higadra roa taona sy (vakio ny lahatsoratra)
Ejipta : Nosamborin’ny tafika ary navotsotra avy eo i Wael Abbas
Nosamborin'ny tafika nandritra ny adiny iray teo ho eo ilay bilaogera fanta-daza mpiaro ny zon'olombelona Wael Abbas ka nahatonga ny namany sy ny olom-pantany nihetsika tamin'ny fikarohana azy. Nafahana izy taorian'izay. Ankoatra izany, mbola tsy misy vaovao momba ilay mpiasan'i Google Wael Ghonim, izay nanjavona ny 25 Janoary 2011.
Iran: Nanajanona ny fitokonany tsy hihinan-kanina ilay bilaogera any am-ponja
Nitatitra [fa] ireo tranonkala maromaro fa nanajanona ny fitokonany tsy hihinan-kanina taorian'ny herinandro teo ho eo i Hossein Ronaghi Maleki, bilaogera Iraniana nogadraina. Migadra 15 taona an-tranomaizina ao amin'ny fonjan'i Evin i Hossein