Nosamborin'i Samoa ilay bilaogera ‘King Faipopo’ voampanga ho nanala baraka ny praiminisitra

Bilaogera Malele Paulo, fantatra koa hoe King Faipopo. Sary: Facebook 

Nosamborin'ny polisy Samoanina ilay bilaogera monina any Aostralia, Malele Paulo tamin'ny 8 Febroary raha nitsidika ny firenena hanatrika ny fandevenana ny reniny. Malele dia mpitsikera fanta-daza ny governemanta izay manoratra eo amin'ny anarana hoe King Faipopo.

Nanamafy ny polisy fa nosamborina i Malele noho ny “fanambarana diso mikasa hanimba ny lazan'ny mpikambana iray ao amin'ny fiarahamonintsika Samoanina.”

Tamin'ny volana Aogositra 2018, nametraka fitoriana an'i Malele noho ny fanalam-baraka azy ny Praiminisitra Tuilaepa Sailele Malielegaoi, izay toa nametraka ny dingana ho amin'ny fisamborana azy rehefa niditra ny firenena izy tamin'ny voalohandohan'ny Febroary. Navotsotra vonjimaika izy tamin'ny 9 febroary ary afaka nanatrika ny fandevenana ny reniny.

Tamin'ny taona 2013, nesorin'i Samoa tao anatin'ny lalànan'ny heloka bevava ny fanalam-baraka ho hetsika fanavaozana ny media. Saingy tsy naharitra ela ny fanovana. Tamin'ny faran'ny taona 2017, niara-nifidy ny hamerenana ny lalànan’ny fanalam-baraka ny parlemanta ao amin'ny fanjakana nosy polineziana rehefa nilaza ny Praiminisitra Tuilaepa Sailele Malielegaoi fa ilaina ny “miady amin'ireo matoatoa mpanoratra sy mpanakorontana”, na dia eo aza ny fanoheran'ny mpiaro ny fahalalahan'ny media. Nilaza ny governemantan'i Tuilaepa fa hampiasaina hanenjehana ireo bilaogera tsy fantatra anarana sy mpampiasa Facebook izay manaparitaka lainga sy vaovao diso ny lalàna.

Nanonona ity lalàna ity tamin'ny fitoriany an'i Malele ny praiminisitra, izay nampangainy ho namoaka vaovao diso momba azy sy ny politika Samoaniana. Voalaza fa nanoratra tao amin'ny bilaoginy i Malele hoe nanao famonoan'olona, ​​kolikoly, fangalarana, sy fampidirina fitaovam-piadiana an-tsokosoko i Tuilaepa.

Nanitrikitrika i Tuilaepa  fa tsy manohitra ny olom-pirenena maneho ny heviny izy:

I am not prohibiting anyone from exercising their freedom of speech or freedom of expression but I take issue when the rights of the innocent, like myself are violated through lies and deceit. This kind of lying and attacking members of the community through social media is what the law was designed to prevent.

Tsy mandràra ny olona tsy hampiasa ny fahalalahana miteny na ny fahalalaham-pitenenana aho saingy mamaly aho rehefa voahitsakitsaka amin'ny alalan'ny lainga sy ny fitaka ny zon'ny tsy manan-tsiny, tahaka ny tenako. Ity karazana lainga sy fanafihana mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina atao amin'ny alàlan'ny haino aman-jery sosialy ity no nanaovana ny lalàna mba hanakanana izany.

Rehefa avy nametraka ny fitoriana fanalam-baraka i Tuilaepa, dia nikasa handroaka an'i Malele ao Aostralia ny governemantany.

Nampitandrina ny vahoaka mba tsy hanao fanambarana manala baraka ao amin'ny media sosialy ihany koa ny fanambarana nataon'ny mpitandro filaminana mifandraika amin'ny fisamborana an'i Malele:

The damage that defamatory statements on social media outlets and cyber bullying has done to several members of the community is a matter that these laws are designed to address. Where complaints are laid with the police, we will do our best to assist those being victimised on social media platforms by false statements.

Ny fahavoazana aterak'ireo fanambarana manala baraka ao amin'ny fampitam-baovao sosialy sy ny fampihorohoroana antserasera mihatra amin'ireo olona maromaro ao amin'ny fiarahamonina no nahatonga ireo lalàna ireo mba hiadiana amin'izany. Raha misy fitarainana napetraka tamin'ny polisy, dia hanao izay vitanay izahay mba hanampiana ireo iharan'ny fanehoan-kevitra diso tao amin'ny sehatra media sosialy.

Nosokajian'ny filohan'ny Pacific Freedom Forum, Bernadette Carreon avy ao Palau ho toy ny fanafihana ny fahalalahana miteny ny fisamborana an'i Malele:

Focus on fighting corruption, not freedom of speech.

New legislation, based on old criminal libel laws from colonial times, forces Samoa leaders to look backwards, not forwards.

Mifantoha amin'ny ady amin'ny kolikoly, fa tsy ny fahalalahana miteny.

Ny lalàna vaovao, mifototra amin'ny lalàna heloka bevava taloha momba ny falanam-baraka tamin'ny andron'ny fanjanahantany, dia manery ireo mpitarika ao Samoa mba hijery aoriana fa tsy mandroso

Nitsikera ny fanapahan-kevitra hisambotra an'i Malele ny mpanakiana iray hafa ny governemanta, bilaogera Ole Palemia:

What the people need to know and always remember is that corrupt PM Tuilaepa and all the politicians are public figures therefore they are subjected to public criticism – that's what you call democracy.

Ny zavatra tokony ho fantatry ny olona sy tadidiny foana dia olo-malaza ny praiminisitra Tuilaepa mpanao kolikoly sy ireo mpanao politika rehetra ka noho izany, mety hiharan'ny tsikeran'ny vahoaka izy ireo – izany no antsoinareo hoe demaokrasia.

Niteraka adihevitra goavana tao Samoa ny fisamborana an'i Malele. Nisy tati-baovao nanadihady ny fomba fijerin'ny olom-pirenena sasany izay naneho ny ahiahiny momba ny fotoan'ny fisamborana sy ny hafa nanaiky ny raharaha momba ny fanalam-baraka ary nanentana ireo mpitsikera mba hanaja ny praiminisitra ao amin'ny firenena.

Fantatra fa hiakatra fitsarana amin'ny 5 Marsa i Malele.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.