- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Mikasa ny hanameloka ho faty an'i Derakhshan ny mpampanoa lalàna

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nilaza tamin'ny Global Voices ny loharanom-baovao azo antoka fa mikasa ny hanameloka ho faty an'i Hossein Derakhshan [1], ilay bilaogera voafonja ny mpampanoa lalàna ao Tehran. Tsy mbola nanapa-kevitra ny  mpitsara Salavati tamin'io fotoana io. “Fiaraha-miasa amin'ny fahavalom-panjakana, fanaovana propagandy manohitra ny fitondrana Islamika, fanevatevana ny fahamasinana ara-pivavahana ary ny fanaovana fampielezan-kevitra anti-revolisionera” no vesatra hiampangana an'i Hossein .”