- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azerbaijan: Nahemotra indray ny fitsarana ilay bilaogera an-dahatsary

Sokajy: Azerbaijan, Hafanam-po, Lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2009)
hands_off [1]

Ao anatin'ny heverin'ny maro fa fitsarana misy ambadika politika ho fanapenam-bava ny mpanohitra ao Azerbaijan, niseho indray tao amin'ny fitsarana androany ireo tanora mpikatroka bilaogin-dahatsary Adnan Hajizade [2] sy Emin Milli [3].

Nosamborina tampoka vao maraimben'ny 8 Jolay [4] ireo tanora mpikatroka, fitaratra amin'ny fampiasan-dry zareo fampitam-baovao ao amin'ny faritra rehefa avy notafihana tao amin'ny trano fisakafoanana iray ao afovoan-tanànan'i Baku, renivohitra Azerbaijaney.

Omalin'ny fotoam-pitsarana hafa, namintina ny fahatsapany manokana momba ny raharaha [5] ny bilaogeran'ny Flying Carpets and Broken Pipelines, Arzu Geybullayeva.

Tomorrow (27th October), Adnan and Emin are going to have another hearing. Its been almost two weeks since the last one and there is still hope that they will be released. At least I want to hope so! I want to see my friends free again. I want their parents to see their sons and be proud of them. I want all of us- his friends, be honored that we have friends as them.

Rahampitso (27 Oktobra), ho atao famotorana hafa i Adnan sy Emin. Efa ho roa herinandro izay hatramin'ny fakana am-bavany farany ary mbola manantena fa havoaka izy ireo. Farafaharatsiny te-hanantena izany aho! Te-hahita ny namako ho afaka indray aho. Tiako ny ray aman-dreniny hahita ny zanany lahy ary hirehareha azy ireo. Tiako isika rehetra-ireo namany, mba ho heni-boninahitra manana namana tahaka azy ireo.

Ny ampitso maraina, nanao lahatsoratra tahaka izany [6] i L4L na dia somary fohy aza ary ahitana vazivazy, angamba mba hampaherezana ny hafa.

I don’t want to hear anything rational right now. I don’t want to think anything rational right now. I want them out of the jail today. Adnan still owes me few rounds of beer. So, i want them back. 🙂

Tsy te-handre zavatra misy fanjohin-kevitra aho izao. Tsy te-hieritreritra zavatra marina ara-pisainana aho izao. Tiako hivoaka ny fonja izy ireo androany. Mbola hananako labiera vitsivitsy i Adnan. Ka tiako hiverina izy ireo 🙂

Rehefa nanomboka ny fitsarana androany maraina, dia nampiasa Facebook sy Twitter ireo mpanohana azy roalahy mba hamoaka vaovao farany.

first_court_tweet

Na dia izany aza, araka ny mahazatra nandritra ny raharaha, ary na dia eo aza ny tabataba goavana iraisam-pirenena, dia maro ireo nanaiky ny zava-misy fa toa mikasa hampihisatra ny raharaham-pitsarana araka izay ela azo atao ny manampahefana fa tsy mba te-hamarana izany haingana.

postponed tweet

Support Adnan and Emin nitanisa ny sasany tamin'ireo ahiahy marobe  [7]nolazain'ireo fikambanana momba ny zon'olombelona sy ny mpomba ny demaokrasia tao Azerbaijan.

Ity raharaham-pitsarana tarihin'i Araz Huseynov ity no mampiseho miharihary ny fiankinan-dohan'ny rafi-pitsarana amin'ny fahefana mpanatanteraka sy ny fampiasana ny raharaha amin'ny teritery ara-politika atao amin'ireo mpanohitra ary ny famoretana, indrindra amin'ny fahalalahana miteny, mihevitra ary maneho hevitra.

Na dia efa nanaiky izany aza izy ireo, dia niharihary tao amin'ny siokan'ireo mpanohana ny fahadisoam-panantenana raha nahemotra adiny iray ny fotoam-pitsarana.

post trial tweets

Vaovao farany: Ora fohy taorian'ny fotoam-pitsarana, nanao lahatsoratra faharoa feno fampanantenana mandinika ny zava-nitranga  i L4L. Namintina ny hatezerana, ny hadisoam-panantenana sy ny fanantenana tsapan’ [8]ny mpanohana ireo mpikatroka antserasera roa ny bilaogy.

Eny, nahita izay zava-nitranga androany isika. Nahemotra indray ny fotoam-pitsarana an'i Adnan sy Emin […]. Tsy tonga ny iray tamin'ireo mpijoro vavolombelona, ka nanapa-kevitra ny mpitsara fa ampy ny asa adiny iray mba hanohizan'ny feon'ny fieritreretany hatory mandritra ny herinandro ary nilaza tamin'ireo mpanatrika efa reraka fa hahemotra amin'ny 6 Novambra 2009 ny fotoam-pitsarana. Ô ry zalahy, raharahan-jiolahimboto nanaovana fanadihadiana efa ho 4 volana? Tokony hifandray amin'ny Guinness World Records ve isika atsy ho atsy?[…]

[…]

[…] Nitsiky i E&A’, ny fomba hitantanan'izy ireo ny tenany. Fahamendrehana, fanantenana, herim-po. Fitiavana sy fifaliana eo amin'ny mason'izy ireo isaky ny mijery anay. Mbola nampahery anay izy ireo na dia mihidy ao anatin'ny fiaran'ny polisy aza. Manome fanantenana ho ahy izany. Manome hery ahy izany. Ary manantena aho fa hahomby ny ezaka ataontsika amin'ny fampaherezana azy ireo, ka fantatr'izy ireo fa tena tia tokoa azy ireo isika ary malahelo azy ireo. Eny tokoa, manantena aho fa tsy nanadino ny labiera roa izay tokony omeny ahy i Adnan 🙂

Azo jerena ao amin'ny fizarana Azerbaijan [9] ao amin'ny Global Voices sy ny OL! Blog (amin'ny teny Anglisy [10] sy Azeri [11]) ny fitantarana feno ny fanagadrana sy ny fitsarana an'i Adnan Hajizade sy Emin Milli. Hita ao amin'ny Twitter ihany koa ny tenirohy #EminAdnan [12].

0