Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

01 Marsa 2019

Tantara tamin'ny 01 Marsa 2019

Nosamborin'i Samoa ilay bilaogera ‘King Faipopo’ voampanga ho nanala baraka ny praiminisitra

Nosamborin'ny polisy Samoanina ilay bilaogera monina any Aostralia, Malele Paulo tamin'ny 8 Febroary raha nitsidika ny firenena hanatrika ny fandevenana ny reniny. Malele dia mpitsikera fanta-daza ny governemanta izay manoratra amin'ny anarana hoe King Faipopo.

Azerbaijan: Nahemotra indray ny fitsarana ilay bilaogera an-dahatsary

Ao anatin'ny heverin'ny maro fa fitsarana misy ambadika politika ho fanapenam-bava ny mpanohitra ao Azerbaijan, niseho indray tao amin'ny fitsarana androany ireo tanora mpikatroka bilaogy lahatsary Adnan Hajizade sy Emin Milli.

Iran: Mikasa ny hanameloka ho faty an'i Derakhshan ny mpampanoa lalàna

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nilaza tamin'ny Global Voices ny loharanom-baovao azo antoka fa mikasa ny hanameloka ho faty an'i Hossein Derakhshan, ilay bilaogera voafonja ny mpampanoa lalàna ao Tehran. Tsy mbola nanapa-kevitra ny  mpitsara Salavati tamin'io fotoana io. “Fiaraha-miasa amin'ny fahavalom-panjakana, fanaovana propagandy...