Tantara tamin'ny Febroary, 2019
Shina: Niitatra tany Guangzhou sy Shenzhen ny fisoratana anarana tena izy amin'ny bilaogy bitika
Nihitatra nanomboka tao Beijing hatrao Guangzhou sy Shenzhe ny fandaminana ny fisoratana anarana tena izy ho an'ny sehatra bilaogy madinika.
Iza indray ary i Cruz Mejía, mampiantrano ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 25 Febroary ka hatramin'ny 3 Marsa 2019
Iza moa izany i Onésimo Cruz Mejía, mitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 25 Febouary 3 Marsa 2019 ao amin'ny fanentanana media sosialy mifantoka amin'ny fimaroana ara-piteny an-tserasera.
Nofoanan'ny onjam-peo iray ao Rosia ny tafatafa nifanaovana tamin'ireo mpikatroka LGBT taorian'ny fandrahonana ny tonian-dahatsoratra
Naharay fandrahonana ho an'ny vahininay sy ny tenanay manokana izahay omaly raha miroso amin'ny fandaharana resadresaka momba ny LGBT. Ka nofoanako ny fandaharana.
Iran: fomba vaovao mba handrenesana tsara sy mafy ny feo
Andeha hojerena ny fomba fampiasan'ny olona ao Iran ny media sosialy mba handrenesana ny feon'izy ireo rehefa hiharan'ny teritery sy ny sivan'ny governemanta ny fampahalalam-baovao.
Frantsa: Tsy lany tao amin'ny parlemanta ny lalàna ‘dona in-telo’ misahana ny troka “piraty” amin'ny aterineto
Nolavin'ny parlemanta ao Frantsa ny volavolan-dalàna Hadopi (la Haute Autorité pour la diffusion des œuvres et la protection des droits sur internet (Fahefana ambony misahana ny famoahana sangan'asa sy fiarovana ny zo amin'ny aterineto) tamin'ny Alakamisy (09.04.2009) ka miaraka amin'izany ny tsy fahombiazan'ny antokon'ny fitondrana UMP (21-15) hankatoa ny lalàna.
Ejypta: Tatitra eo an-toerana nandrakitra fandikan-dalàna nihatra tamin'ireo mpiserasera aterineto maherin'ny 43
Namoaka tatitra mitondra ny lohateny hoe "Ejypta eo amin'ny kion-dalana ...2008" ny ONG Ejypsiana iray malaza, Foiben'ny Lalàna Hisham Mubarak, tatitra izay manadihady ny satan'ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny firenena nandritra ny taona 2008, anisan'izany ny fanagadrana sy ny fanorisorenana bilaogera. .
Maraoka: Afaka i Fouad Mourtada
(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Navotsotra i Fouad Mourtada, 26 taona, injenieran'ny teknolojia vaovao izay nosamborina tamin'ny 5 Febroary 2008 ary voaheloka telo taona an-tranomaizina sy handoa lamandy mitentina 1.350 dolara noho ny famoronany pejy Facebook sandoka ho an'ny zandrin'i Mpanjaka Mohammed VI, Printsy...
Iran: Tandindonin-doza ny ain'ilay bilaogera
(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Andro maromaro izay no nitokona tsy nihinan-kanina i Hossein Ronaghi Maleki ilay bilaogera nogadraina. Natahorana ny toe-pahasalamany ary nentina nandritra ny adiny roa tany amin'ny hopitaly izy. Nisy gadra politika iray hafa ihany koa nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina mba ho...
Shina: Fampitandreman'ny Sina Weibo an'ny Deutsche Welle
Noterena "hiseho amin'ny endrika hafa" ny kaonty Sina Weibo ofisialin'ny Deutsche Welle tamin'ny 13 Novambra 2011. Fanasaziana mahazatra fanaon'ny Sina Weibo ny famafana ny kaontin'ny mpiserasera namoaka "lohahevitra saro-pady". Raha mikiry mbola hijanona ao amin'ny Weibo ilay mpiserasera, dia tsy maintsy manokatra kaonty vaovao izy ary manangona mpanjohy vaovao indray, antsoin'ny mpiserasera Shinoa hoe "fisehoana amin'ny endrika hafa indray (re-incarnation) izany.
Shina: Fisoratana anarana tena izy ho an'ny bilaogy madinika
Nametraka fitsipika vaovao maromaro ny governemantan'ny tanànan'i Beijing tamin'ny 16 desambra 2011 mba hifehezana ny fivezivezen'ny vaovao ao amin'ny sehatra fibilaogy madinika.