Febroary, 2019

Tantara tamin'ny Febroary, 2019

Azerbaijan: Navotsotra ireo ‘bilaogera ampondra’

GV Mpisolovava  28 Febroary 2019

Navotsotra tamin'ny faran'ity herinandro ity ireo tanora mpikatroka bilaogy lahatsary ao Azerbaijan, repoblika sovietika teo aloha manankarenaika solika. Nogadraina tamin'ny 8 Jolay 2009 i Adnan Hajizade, mpiara-manorina ny OL! Youth Movement, sy Emin Milli, mpiara-nanorina ny Alumni Network (AN).

Ejipta : Voaheloka ilay bilaogera Wael Abbas, raha mbola any am-ponja ny bilaogera iray hafa

GV Mpisolovava  28 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosaziana enim-bolana an-tranomaizina ary nandoa lamandy 500 livra Ejiptiana (mitovy amin’ny 80 euros eo ho eo) ilay bilaogera Ejipsiana fanta-daza Wael Abbas, taorian’ny fitoriana nataonà olom-pirenena Ejipsiana iray sy ny rahalahiny izay manampahefanan’ny polisy, niampanga azy ho nanimba ny...

Korontana Tao Addis : Mitatitra Ireo Blaogera sy Mpanao Gazety Any an-Toerana

  27 Febroary 2019

Tanatin'ny telo andro izao no niaina tanteraka tanaty herisetra i Addis Abeba, satria namaly ny tora-bato natao taminy tamin'ny alalan'ny fitifirana basy ireo polisy sy ireo tafika mitam-piadiana mahery vaika. Maherin'ny telopolo no voalaza fa namoy ny ainy. Nabaribarin'ireo bilaogera sy mpanao gazety tao an-toerana ho an'izao tontolo izao tamin'ny fampiakarana sary ny zava-nitranga tao Addis sy ny halehiben'izany

Lasa loharanon-dahatsoratra ho an'ny fifaninanana fandikan-teny manerantany any amin'ny Repoblika Tseky ny Global Voices

  27 Febroary 2019

Strč prst skrz krk. Tsia, tsy kitendritendry tsinahy nataon'ny saka nandeha teo ambonin'ny kitendry io akory fa tena fehezanteny Tseky misy izay midika hoe ‘alefaso any an-tenda ny rantsan-tanana’. Angamba mety tsy ho ilay fehezanteny tena mahazatra izany kanefa matetika ity fiteny ity dia lazaina ho ohatra mifanakaiky amin'ny ‘tsy...

Iran: Mibilaogy mahavoaheloka ho faty?

GV Mpisolovava  27 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nifidy ny volavolan-dalàna mikatsaka ny “hanamafisana ny sazy amin'ny fanakorontanana ny saim-bahoaka ao amin'ny fiarahamonina” ny parlemantera Iraniana. Miampy ny lisitry ny heloka mahazo ny fanamelohana ho faty ny andininy amin'ity volavolan-dalàna ity toy ny “fananganana tranonkala sy tranonkalam-bilaogy...