Syria: Avotsory i Razan Ghazzawi

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2011)

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana momba ny Fihetsiketsehana ao Syria 2011

Afisy avotsory Razan

Nosamborin'ny manampahefana Syriana androany i Razan Ghazzawi, bilaogera ao amin'ny sisintany Syriana sy Jordaniana. Teny an-dalana ho any Amman hanatrika atrikasa momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny tontolo Arabo i Ghazzawi, izay nosamborina tao amin'ny sisintany Syriana-Jordaniana. Niteraka tsikera sy fahatezerana teo amin'ireo bilaogera sy mpikatroka manerantany, izay nitaky ny famotsorana azy tsy misy hatak'andro ny fisamborana an'i Razan.

Bilaogera Syriana teratany Amerikana mpampiasa Twitter malaza i Ghazzawi, ary nandray anjara tao amin'ny Global Voices sy Global Voices Advocacy. Iray amin'ireo bilaogera vitsivitsy any Syria izay manoratra amin'ny tena anarany izy, manohana ny zon'ny bilaogera sy ny mpikatroka nosamborin'ny fitondrana Syriana, ary koa ny zon'ny pelaka sy ny vitsy an'isa.

Mankalaza ny famotsorana an'i Hussein Ghrer, bilaogera Syriana, izay nogadrain'ny manampahefana Syriana nandritra ny 37 andro ny lahatsorany farany, tamin'ny 1 Desambra. Nibilaogy izy hoe:

Hussein is going to be home tonight, where he will be holding his wife tight, and never let go of his two precious sons again. It’s all going to be alright, and it will all be over very soon.

Hody any an-trano i Hussein androany hariva, ka hamihina mafy ny vadiny, ary tsy hamela intsony ireo zanany roalahy sarobidy. Hisosa tsara ny zava-drehetra, ary hilamina tsy ho ela ny zava-drehetra.

Tsy very teo amin'ireo mpiserasera ny esoeso, nanao fanairana tao amin'ny sehatra media sosialy izy ireo taorian'ny fisamborana azy .

Syriana Razan Saffour nisioka hoe:

@RazanSpeaks: Razan Ghazzawi used to raise awareness about detainees, write about them and support them. She has now become one of them. #FreeRazan #Syria

@RazanSpeaks: Fahazaran'i Razan Ghazzawi ny nanao fanairana momba ireo gadra, manoratra momba azy ireo sy manohana azy ireo. Nanjary iray amin'izy ireo izy ankehitriny. #FreeRazan #Syria

nampiany hoe:

@RazanSpeaks: Thoughts and hearts are with you @RedRazan. One of the bravest people I have come to know on twitter. #FreeRazan #Syria

@RazanSpeaks: Any aminao ny saina sy ny fo @RedRazan. Iray amin'ireo olona be herim-po fantatro tao amin'ny twitter. #FreeRazan #Syria

Namana Syriana Sasa nanamarika hoe:

@syrianews: Almost every tweet on my timeline now contains #FreeRazan. You hear us Syrian police? #FREERAZAN

@syrianews: Saika ahitana hoe #FreeRazan avokoa ny sioka rehetra ao amin'ny rindriko. Mahare anay ve ianareo polisy Syriana? #FREERAZANp

Nampahatsiahy kosa ny namana Syriana ato amin'ny Global Voices, Anas Qtiesh hoe:

@anasqtiesh: Razan introduced me to the wonderful @globalvoices team and she's the reason I joined as a translator author. #FreeRazan

@anasqtiesh: Nampahafantatra ahy ny ekipa mahafinaritra ato amin'ny @globalvoices i Razan ary izy no antony nidirako ho mpandika teny sy mpanoratra ato. #FreeRazan

Nitodika tamin'ny Ligy Arabo i Shakeen Al Jabri, Syriana:

@LeShaque: Hey Arab League. How's your ill-advised strategy working out? Still believe Bashar will reform? #Syria #FreeRazan

@LeShaque: Ry Ligy Arabo. Ahoana ny fandehan'ny paikadinareo somary tsy dia tsara? Mbola mino fa hanao fanavaozana i Bashar? #Syria #FreeRazan

Mitaraina kosa i Chanad Bahrainita hoe:

@chanadbh: .@RedRazan, @alaa and @abdulemam were all at the first Arab Bloggers Meeting in Lebanon in 2008. Today they're jail or in hiding #FreeRazan

@chanadbh: .@RedRazan, @alaa sy @abdulemam no anisan'ny tao amin'ny Fivorian'ny bilaogera Arabo voalohany tao Libanona tamin'ny taona 2008. Ankehitriny, nogadraina na miafina izy ireo #FreeRazan

Nogadraina tao Ejypta noho ny fiampangana namboamboarina ilay bilaogera Ejiptiana menavazana Alaa Abdel Fattah ary miafina ilay bilaogera Bahrainita Ali Abdulemam ao Bahrain fa miatrika fiampangana mifandraika amin'ny bilaoginy ihany koa. Anisan'ireo bilaogera mpisava lalana any amin'ny fireneny tsirairay avy izy ireo.

Mandritra izany fotoana izany, mitantana ny kaontiny Twitter sy Gmail ary koa ny bilaoginy ireo namany atokisany. Naaton'ny namany ihany koa ny pejiny Facebook.

Hoy ny fivakin'ny sioka vao haingana tao amin'ny kaontiny:

@RedRazan: Razan Is not anymore managing her twitter account, we, her friends and supporters are ! #FreeRazan

@RedRazan: Tsy mitantana intsony ny kaontiny Twitter i Razan, izahay, namany sy mpanohana azy no eto! #FreeRazan

Raha hijery fanehoan-kevitra bebe kokoa momba ny fisamborana an'i Ghazzawi, jereo ny tenirohy #FreeRazan ao amin'ny Twitter. Ao ihany koa ny pejy Facebook mitaky ny famotsorana azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.