- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Vaovao tsara miampy sira kely

Sokajy: Malezia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Raha manana tanjona amin'ny fandrisihana ny vahoaka hampiasa ny aterineto ho fitaovana fampielezana vaovao ny governemanta Maleziana dia namerina ny fidirana amin'ny vavahadim-baovao Malaysia Today sy ireo tranonkala hafa izay nosakanana nanomboka tamin'ny volana Janoary 2008.

Datuk Shaziman Abu Mansor

Tranonkala maherin'ny 100 no voasakana nanomboka ny volana Janoary 2008  araka ny tatitry ny Serasera Maleziana sy ny Vaomieran'ny Haino Aman-jery Marolafy (MCMC) [1] noho ny votoaty manivaiva fivavahana na manambaka mpanjifa, izay mandika ny fitsipiky ny MCMC.

Na izany aza, voalaza fa nanambara [2] ny Minisitry ny Angovo, ny Rano, ary ny Serasera, Shaziman Abu Mansor fa na dia mahatsapa aza ny governemanta fa ampy ny lalàna misy mba hamehezana ny fitondra-tena tsy mety ataon'ny Maleziana amin'ny aterineto dia ilaina ny fampiharana lalàna haingana. Toa hita fa mikasa ny hametraka fanaraha-maso [2] ny tranonkala, indrindra fa ireo izay malaza amin'ny votoaty mandrisika fikomiana na saropady amin'ny resaka volon-koditra ny komity ahitana ny solontena avy amin'ny MCMC, ny polisy, ny biraon'ny Mpampanoa Lalana Jeneraly ary ny Minisiteran'ny Atitany. Hoy izy,

In the United States, if a website publishes actionable content, within minutes the FBI (Federal Bureau of Investigation) would come in and seize all equipment to secure evidence. Maybe we can move towards that direction,

Any Etazonia, raha misy vohikala mamoaka votoaty azo henjehina, afaka minitra vitsy dia hiditra ny FBI (Birao Federaly ho an'ny Fanadihadiana) ary haka ny fitaovana rehetra mba ahazoana porofo. Miroso mankany amin'io lalana io ihany koa angamba isika,

Araka ny tatitra [2], nilaza i Shaziman fa nangataka ny biraon'ny lehiben'ny fampanoavana ny kabinetra mba hanafaingana ny fanenjehana an'ireo mpitantana tranonkala, izay manana tranonkala ahitana votoaty voalaza fa mandrisika fikomiana na mandrisika fankahalana ara-pirazanana na manivaiva na inona na inona fivavahana, raha misy porofo ampy hanaovana izany.

Etsy ankilany, tsy mitsahatra ny manampahefana nandray fepetra hanenjehana ireo mpanao gazety an-tserasera. Ohatra, nanaovana be midina [3] imbetsaka nandritra ny folo taona farany ny Malaysiakini [4], ilay tranonkala mpanangom-baovao tranainy indrindra amin'ny aterineto ao Malezia.

Tsindrio eto [5] raha hijery ny lisitry ny hetsika natao hanenjehana ny fampitam-baovao, tamin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto, tamin'ny taona 2006.