Iran: Niakatra fitsarana ilay bilaogera tanora indrindra nogadraina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2010)

Navid Mohebbi 18 taona

Tsy voalohany manerantany ihany ny governemanta Iraniana amin'ny fanenjehana ireo bilaogera, fa nametraka zava-bita lehibe indrindra maromaro ihany koa izy ireo: manomboka amin'ilay bilaogera nogadraina voalohany teo amin'ny tantara, hatramin'ny bilaogera voalohany maty tany am-ponja. Indrisy anefa fa misy zavabita vaovao azo ampidirina ao anaty lisitra indray amin'ny famoretana: bilaogera tanora indrindra nogadraina ary nentina teo anatrehan'ny fitsarana.

Nanoratra ny Reporters Sans Frontières (RSF) fa notsaraina tsy azo natrehana teo anoloan'ny fitsarana revolisionera tany an-tanàna avaratra ao Amo ilay bilaogera tanora indrindra manerantany, Navit Mohebbi, 18 taona. Tsy navela hanatrika ny fitsarana izay nanomboka ny 14 Novambra ny mpisolovavany. Araka ny voalazan'ny RSF, voampanga tamin'ny “hetsika manohitra ny fiarovam-pirenena” sy “manevateva ny mpanorina ny Repoblika Islamika sady mpitarika ankehitriny (…) tamin'ny alàlan'ny haino aman-jery vahiny i Mohebbi.”

Nilaza ny Change for Equality, tranonkala manohana ny zon'ny vehivavy fa bilaogera, mpikatroka ho amin'ny zon'ny vehivavy sy ny zo sivily maherin'ny 250 no namoaka fanambarana mangataka ny famotsorana avy hatrany sy tsy misy fepetra an'i Navid Mohebbi .

Amin'ny maha-tanora bilaogera, dia mizara ny fiainany sy ny heviny ao amin'ny bilaoginy i Navid. Tamin'ny taona 2009, nanoratra momba ny fanaovana fanatanjahan-tena, ny fandehanana any an-tsekoly, ary koa ny fandidiana kely tamin'ny orony i Navid. “Somary nahitana fiviliana kely izany, saingy mety ho mahafinaritra kokoa.” Nanoratra i Navid fa nianatra mafy tamin'ny fanadinana hidirana any amin'ny oniversite izy sy ny namany ary namaky boky momba ny tsy fankatoavana sivily, ny demaokrasia ary ny The Second Sex nosoratan'i Simone de Beauvoir.

Neken'ny Anjerimanontolon'i Azad mba hianatra ny siansa politika ihany izy nony farany.

Voatazona ao amin'ny fonjam-panjakana ao an-tanànan'i Sari izy ankehitriny.

Tamin'ny Martsa 2009, nanoratra tao amin'ny bilaoginy i Navid hoe:

“…the intelligence office in Amol called my father and threatened me. These calls are illegal. Security forces in all countries are supposed to protect the citizens but here they are doing the opposite.

“… niantso ny raiko sy nandrahona ahy ny biraon'ny sampam-pitsikilovana ao Amol. Tsy ara-dalàna ireo antso ireo. Tokony hiaro ny olom-pirenena ny mpitandro ny filaminana any amin'ny firenena rehetra saingy ny mifanohitra amin'izany no misy eto.

Tamin'ny lahatsoratra tamin'ny ririnina farany teo, nanoratra i Navid fa nosamborina teny an-dalana izy noho ny antony tsy fantatra. Ora vitsy taty aoriana, navotsotra izy rehefa nanome ny tenimiafin'ny mailakany sy ny bilaoginy. Nasaina tonga amin'ny fotoana rehetra hiantsoana azy hanaovana fanadihadiana ihany koa izy.

Navid nanoratra [fa] hoe:

The law is what your interrogator decides it to be. Your final judgment depends on Ministry of Intelligence orders rather than the country's judicial system… Then I came home and asked myself, when they will ever want to improve their behaviour.

Ny lalàna no fanapahan-kevitry ny mpanadihady anao. Miankina amin'ny baikon'ny minisiteran'ny fitsikilovana fa tsy ny rafi-pitsarana ao amin'ny firenena ny didim-pitsarana farany… Avy eo tonga tao an-trano aho ary nanontany tena hoe rahoviana vao mba te-hanatsara ny fitondran-tenany izy ireo.

Ny valin'ny fanontanian'i Navid dia indrisy, fa mbola ho ela.

Nanana tantara lavabe momba ny fanenjehana ireo bilaogera sy ny fanasaziana azy ireo an-taonany maro i Iran- ary nisy tranga iray koa aza voasazy nokapohina karavasy.

Vakio bebe kokoa ao amin'ny pejy Iran ao amin'ny Threatened Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.