- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta : Voaheloka ilay bilaogera Wael Abbas, raha mbola any am-ponja ny bilaogera iray hafa

Sokajy: Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
wael02Nosaziana enim-bolana an-tranomaizina ary nandoa lamandy 500 livra Ejiptiana (mitovy amin’ny 80 euros eo ho eo) ilay bilaogera Ejipsiana fanta-daza Wael Abbas [1], taorian’ny fitoriana nataonà olom-pirenena Ejipsiana iray sy ny rahalahiny izay manampahefanan’ny polisy, niampanga azy ho nanimba ny tariby fifandraisana amin’ny Aterineto ! Notsaraina tsy nanatrika izany i Wael tamin’ny volana Novambra (2010).

Nanazava tao amin’ny fanambarana i Wael Abbas [2] fa ilay lehilahy nandratra azy ihany no niampanga azy :

L'agent de police Aglan, du bureau du tourisme du Caire, et son frère M. Ahmed Aglan, se sont introduits par effraction dans la résidence de Wael Abbas et l'ont battu jusqu'à lui causer plusieurs blessures et lui avoir cassé une dent. L'agent de police avait utilisé ses relations pour que son frère fasse accuser le blogueur d'avoir rompu le câble pour l'Internet de son frère.

Niditra an-keriny tao an-tranon’i Wael Abbas ny polisy antsoina hoe Algan, avy ao amin’ny biraon’ny fizahan-tany ao Le Caire sy i Ahmed Algan rahalahiny ary nidaroka azy izy ireo ka niteraka ratra maro taminy, sy nahavaky ny nifiny. Nampiasa ireo fifandraisany ilay polisy mba hanamelohan’ny rahalahiny an’ilay bilaogera ho nanapaka ny tariby fidirana amin’ny Aterineton’ity rahalahiny ity.

Le Procureur de la république a enregistré la plainte déposée par M. Wael Abbas en avril 2009 après qu'il ait été attaqué physiquement par un agent de police et son frère. La plainte a été classée sans suites pour insuffisance de preuves, nonobstant trois rapports médicaux, y compris celui d'un médecin légiste confirmant blessures et dent cassée de M. Wael Abbas.

Nandray ny fitoriana napetrak’Atoa Wael Abbas ny Mpampanoa lalànan’ny repoblika tamin’ny volana Aprily 2009 taorianan’ny nandratran’ilay manampahefanan’ny polisy sy ny rahalahiny azy. Tsy nisy tohiny ilay fitoriana noho ny tsy fahampian’ny porofo, na dia teo aza ny taratasy miisa telo avy any amin’ny mpitsabo, anisan’izany ny avy amin’ny mpitsabo izay nanamarina ny ratra sy ny nify vaky an’Atoa Wael Abbas.

Nanome vaovao bebe kokoa momba ny herisetra natao tamin’i Wael Abbas ny bilaogy Ta3beer [3] ( Fanehoankevitra):

Jusqu'il y a quelques mois, Wael Abbas avait été généralement laissé libre de travailler avec peu d'interférences ou d'intimidations de la part des autorités. Toutefois, il est victime de pressions croissantes,  à chaque occasion où il doit entrer ou sortir d'Égypte, il a des ennuis.

Navela malalaka mba hiasa tsy nohelingelenina firy ary tsy norahonan’ny manampahefana nandritra ny volana maromaro i Wael Abbas. Na izany aza anefa dia niharan’ny tsindry betsaka ihany koa izy ary sahirana isaky ny fotoana hidirany na hivoahany an’i Ejipta.

Tamin’ny fotoana nandraisan’i Wael Abbas ny vaovao ratsy momba ny fanamelohana azy no nanaovan'ny Amnesty International  antso [4] ho famotsorana ilay bilaogera Ejiptiana Hani Nazeer, gadra noho ny fanehoan-kevitra. Efa nigadra hatramin’ny volana Oktobra 2008 i Hani Nazeer [5], izay Kristiana Kopta sady bilaogera avy ao Qinci (Ejipta Ambony), hatramin’ny niampangan’ireo mponina ao Qina azy ho namoaka tao amin’ny bilaoginy ny fonon’ny boky iray izay heverin’izy ireo fa ‘manohintohina ny Miozolomana’’. Nangataka tamin’ny Minisitry ny Atitany Ejiptiana ny Amnesty International mba hanafaka an’i Hani Nazeer ary hanameloka ny fitazonana azy:

Amnesty International demande au Ministre de l'intérieur de respecter la décision du tribunal de libérer Hani Nazeer et d'ordonner immédiatement la levée de la détention administrative de tous ceux qui sont détenus dans le cadre des lois d'exception, et dont le tribunal a prononcé l'acquittement. Le Ministre doit aussi cesser d'utiliser ses pouvoirs d'exception pour entraver la liberté d'expression.

Miantso ny Minisitry ny Atitany ny Amnesty International, hanaja ny fanapahan-kevitry ny fitsarana hanafaka an’i Hani Nazeer ary handidy avy hatrany ny hanafoanana ny fitazonana ireo olona rehetra nogadraina araka ny lalàna manokana avy amin’ny fitsarana manambara ny fanafahana madiodio azy ireo. Tokony hampitsahatra ny fampiasana fahefana manokana hanakanana ny fahalalaham-pitenenana ihany koa ny Minisitra.

Inoana fa hijanona ao amin’ny fonjan’i Borg al-Arab i Hani Nazeer mandrapivoahan’ny didy vaovao hitazonana azy, toy ny nitranga fony izy nosamborina tamin’ny taona 2008.