- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mahavariana ireo mpandinika sy ny mpakafy ny vorona ny Spiny Babbler, ilay vorona tsy hita afa-tsy ao Nepal

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
Spiny Babbler [1]

Spiny Babbler, ilay vorona tsy misy afatsy any Nepal. Saripikan'i Sagar Giri. Nahazoana alalana.

Na dia mihoatra ny 800 aza ny karazam-borona hita any Nepal dia ny Spiny Babbler [2] ( Turdoides nipalensis ) no hany vorona tsy hita afa-sy ao amin'ity firenena ity. Miaina any anaty kirihitr'ala matevina ilay vorona somary miloko volondavenona sy volon-tsôkôla , antsoina hoe Kaande Bhyakur amin'ny Nepaley ary tazana mora kokoa amin'ny haavo 500 metatra ka hatramin'ny 2.135 metatra. Mandrahona ity karazam-borona Spiny Babbler tsy manam-paharoa izay tena ankafizina ity ny fahasimban'ny tontolo iainana na dia nahavariana ny mpandinika ny vorona eto amin'izao tontolo izao nandritra ny taona maro aza ity vorona ity.

Manana karazam-borona miisa  876 i Nepal, tsy manan-tsahala ny 1 (Spiny Babbler) amin'izany

Miafinafina any anaty natiora ity vorona somary kelikely ity ary sarotra ny mahita azy ireo, raha tsy amin'ny fiandohan'ny fotoam-panarahana rehefa mihira matetika eny ankalamanjana ny vorona lahy.

View this post on Instagram

Finally, a sight of the Spiny Babbler – a bird that occurs only in Nepal! Though they are Babblers, they sing a variety of rather loud & melodic songs from their hideouts amongst thick bushes, which resounds across the hills nearby – waking you up the possibility of seeing them. However, the amount of activity seems quite subdued in Winter. Spring & Summer season is probably the best time to catch a glimpse of this special bird which is recorded only in a few spots in Nepal. Makes one wonder what came to be that these birds have restricted themselves to only this geographical & political region. Thanks to @tharu_hunk & @nikitakhamparia for this. #spinybabbler #endemic #endemicbirds #nepal #chitwan #birdsofnepal #birdsoftheindiansubcontinent #birdsoftheworld #uperdangadi #nepaltourism #nuts_about_birds #birdingenthusiast #natureinfocus #nepalphotography #nepalphotoproject @insta.nepal #nepalnature [5]

A post shared by Varun Mani [6] (@bombaywhite) on

Hitanay ihany nony farany ny Spiny Babbler, vorona izay tsy hita afa-tsy any Nepal !

Misioka feo samihafa somary mafy sy milantolanto rehefa misiotsioka tsy mitsahatra izy ireo avy any amin'ny toerana miafina misy azy ao anatin'ireo kirihitra matevina izay manakoako manerana ny  havoana tsy lavitra eo ka manaitra anao ny fahafahana hahita azy ireo. Na izany aza, toa mihena ny fahenoana izany mandritra ny ririnina.

Ny lohataona sy ny fahavaratra no tena fotoana tsara indrindra hijerena ity vorona hafakely ity izay hita any amin'ny toerana vitsivitsy ihany any Nepal. Hany ka mampanontany tena ny olona sasany hoe nahoana no nahatonga ireo vorona ireo hijanona ao amin'ity faritra ara-jeografika sy politika ity . Misaotra an'i Tharu_hunk sy Nikita Khamparia noho ny fanampian'izy ireo.

Siotsiokan'ny Spiny babbler (Turdoides nipalensis), ilay hany vorona fantatra hatramin'izao fa tsy manan-tsahala ao Nepal .

Nilaza ny boky The Status of Nepal’s Birds: The National Red List Series [14] (Ny mombamomba ireo vorona any Nepal, ny andiana lisitra mena nasionaly) hoe:

It seeks insects almost entirely on the ground among low bushes, appearing only occasionally. Spiny Babbler mounts branches of bushes or small trees to sing, bill pointed upward and tail down. It is a good mimic, with squeaks, chuckles and chirps. It is most easily located by its song and occasionally sings as late as September and October. The species is subject to seasonal altitudinal movements.

Mitady bibikely izy ireo amin'ny ankapobeny ao amin'ny tany ambanin'ny kirihitra ary tsindraindray ihany no miseho. Mihanika ny sampan'ny kirihitra na ny hazo bitika ny Spiny Babbler rehefa hisiotsioka, manondro ambony iny vavany iny ary midina ambany ny rambony. Tena mahay mangala-tahaka izy , miaraka amin'ny hikan'ny sioka, toy ny mihomehy ao anatin'ny hafaliana. Mora ny mahita azy amin'ny alalan'ny siokany  ary misioka tsindraindray hatramin'ny volana Septambra sy Oktobra izy ireo. Miankina amin'ny fiovaovan'ny vanimpotoan'ny toetr'andro ny fiainan'ity karazam-borona ity.

Nahaliana ireo mpandinika ny vorona sy ireo mpankafy vorona manerana izao tontolo izao ny Spiny Babbler, izay tsy hita afatsy any Nepal. Nosoratan'i [15] Don Messerschmidt ny fitantaran'i  S. Dillon Ripley ilay mpandinika momba ny vorona ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Mikaroka Spiny Babbler [16] :

“It was a species that had defied scientists for years, since 1843 or 1844. At that time Brian Hodgson’s Nepali collectors working for him in the unknown vastnesses of Nepal had secured several specimens,” he writes. The Spiny Babbler “had remained a mystery ever since, one of the five species of Indian birds, which, along with the Mountain Quail, had apparently vanished from the face of the earth. But not quite, for if my guess was right, here it was hopping about large as life on the wooded slopes above Rekcha.”

“Nihaika ny mpahay siansa nandritra ny taona maro, nanomboka tamin'ny taona 1843 na 1844 ity karazam-borona ity. Tamin'izany fotoana izany, niaro ny karazany maromaro ireo mpanangona karazam-biby Nepaley niasa tao amin'i Brian Hodgson tao amin'ny faritra lehibe tsy fantatra anarana tao Nepal ,” hoy izy nanoratra. Mbola mijanona ho misitery hatramin'izao ny “Spiny Babbler , iray tamin'ireo karazam-borona Indiana dimy, izay toa nanjavona teto an-tany niaraka tamin'ny Papelika An-tendrombohitra.” Saingy tsy izany loatra raha tsy diso ny eritreritro fa indro izy hitako mahavelom-panantenana be eo an-tehezan'ny tendrombohitra feno ala eo ambonin'ny Rekcha. “

Tahaka izany ihany koa, nandany taona maro [17] niezaka nitady sy naka sary an'ity vorona ity ilay ambasadaoro Amerikana teo aloha tany Nepal, Scott DeLisi .

Nisioka ilay mpandinika ny vorona David Walsh hoe:

Nanao dia lavitra tamin'ny fiara niala tany Kathmandu nankany Chitwan omaly ny vondrona Ornitholidays. Ny hijery ny Spiny Babbler, ilay vorona tokana hany tsy manan-tsahala ao Nepal no tanjona.

Tandindonin-doza [14] ilay vorona noho ny fanalana ny kirihitr'ala hanaovana fambolena sy ny fanitarana ny faritra an-tanàndehibe. Tandindonin-doza amin'ny fihazana izy ireo matetika any ivelan'ny faritra voaaro, ary nahitana fihenana ny isan'ny Spiny Babbler any amin'ireo havoana manodidina ny Lohasahan'i Kathmandu. Mety hiteraka fahasimbana vaovao hafa anefa ny tsy fisian'ny toerana izay manimba ny fonenan'ny Spiny Babbler any amin'ny faritra sasany. Vao foronina ny faritra feno kirihitra izay antsoin'izy ireo hoe fonenana  satria mitohy miha-manify ny ala noho ny fitrandrahana ala manerana ny firenena. Saingy ny fotoana ihany no hilaza izay hoavin'ity hany vorona tsy manan-tsahala avy ao Nepal ity.