Nahatalanjona ny mpijery fandaharana amin'ny fahitalavitra Italiana ny seho nataon'ilay Mozambikana nomena ny lohahevitra hoe fako 

Fampisehoana nataon'i Amós. Pikantsary YouTube (Italia’s Got Talent – 25.01.2019).

Nampihetsi-po ny mpijery tany Italia sy tany an-tanindrazany ny seho nataon'ilay mpanakanto Mozambikana mpanao cirque Vasco Massingue tao amin'ny fifaninanana fampisehoana talenta tao amin'ny fahitalavitra Italiana.

Tafita ho tonga hatrany amin'ny dingana mialoha ny famaranana Italia's Got Talent (manan-talenta i Italia) i Amós, araka ny itiavan'i Vasco iantsoana azy taorian'ny nandreseny ireo kandidà miisa roa arivo tamin'ny alalan'ny hetsika mitondra ny lohateny hoe “Plastic Dance” (Dihy Plastika) – sary mampiseho ny fandotoana mavesatra ateraky ny fako ao an-drenivohitr'i Portuto sy ny olona iantraikàn'izany.

Teraka tany Rossano Garcia, faritanin'i Maputo i Amós, 32 taona, ary mpikambana ao amin'ny Cirque Du Soleil, ilay orinasa mpilalao “cirque”  lehibe indrindra eran-tany. Manan-talenta manokana amin'ny lalao cirque toy ny ‘cerceau aérien, trapeze, ary ny vona amin'ny tady sy ny rojo izy.

Nanonona an'i Hulene i Amós rehefa nanazava ny zava-bitany tamin'ny mpitsara. Izany Hulene izany ilay hany toerana tokana fitobian'ny fako ao Maputo izay nahafatesana olona miisa 16 tamin'ny taona 2018 noho ny fihotsahan'ny fako.

Tsy tafakatra tamin'ny dingan'ny famaranana i Amós na dia noderain'ny mpitsara aza izy.

Olona maro tao Mozambika no nizara ny horonantsarin'i Amós, izay efa nahasarika mpijery mihoatra ny 25.000 hatramin'izao tao amin'ny fantsona YouTube ofisialin'ny fandaharana Italy's Got Talent.

Nilaza tao amin'ny Facebook i André Manhiça, mpanolotra fandaharana malaza any Mozambika hoe:

Bom dia. Um vídeo da performance no Italia's Got Talent de um moçambicano, preocupado com o problema do lixo e do plástico em Maputo. ??????

Miarahaba. Nampiseho ny ahiahy momba ny olan'ny fako sy ny plastika any Maputo ny lahatsary iray mampiseho ny zava-bitan'ilay Mozambikana tao amin'ny Italy's Got Talent.

Niasa tany Soisa, Korea, Kolombia, Tonizia, ary Alemaina i Amós talohan'ny nifindrany tany Italia, araka ny voalaza'ny gazety O País.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.