- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Niitatra tany Guangzhou sy Shenzhen ny fisoratana anarana tena izy amin'ny bilaogy bitika

Sokajy: Shina, Fitsipika, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2011)

Niitatra nanomboka tao Beijing hatrao Guangzhou sy Shenzhen ny fandaminana [1] ny fisoratana anarana tena izy ho an'ny sehatra bilaogy madinika. Araka ny tatitra eo an-toerana [2][zh], nanomboka androany (22 Desambra) ny fepetra fanoratana anarana tena izy. Tsy maintsy manamarina ny mombamomba ireo mpiserasera vaovao alohan'ny hanomezana azy ireo alalana hamorona lahatsoratra ireo sehatra lehibe 7 fibilaogy bitika, anisan'izany ny Tencents [3], Jinyang [4], Dayoo [5], Shenzhen News Web [6], OE [7], DIgu [8] sy Fanfou [9].

Tsy maintsy manome ny laharan'ny kara-panondron'izy ireo any amin'ireo sehatra fibilaogy bitika ireo mpiserasera vaovao ary tokony hanamarina ny antsipirihany miaraka amin'ny tompon'andraikitry ny governemanta ireo orinasa ho fanamarinana ny mari-panondroana. Mbola afaka mampiasa anarana “pseudo” amin'ny kaontiny ny mpiserasera.