- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Afaka i Fouad Mourtada

Sokajy: Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Navotsotra i Fouad Mourtada [1],  26 taona, injenieran'ny teknolojia vaovao izay nosamborina tamin'ny 5 Febroary 2008 ary voaheloka telo taona an-tranomaizina sy handoa lamandy mitentina 1.350 dolara noho ny famoronany pejy Facebook sandoka ho an'ny zandrin'i Mpanjaka Mohammed VI, Printsy Moulay Rachid. Nahazo famotsoran-keloka feno avy amin'ny mpanjaka i Fouad araka ny loharanom-baovao akaiky ny fanentanana Ampio Fouad ary nandao ny fonjan'i Oukacha (Casablanca) ny 18 Martsa 2008 tamin'ny 8 ora hariva tany ho any ary nandeha nody tany an-tranony.