Frantsa: Tsy lany tao amin'ny parlemanta ny lalàna ‘dona in-telo’ misahana ny troka “piraty” amin'ny aterineto

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2009)

Nolavin'ny parlemanta ao Frantsa ny volavolan-dalàna Hadopi (la Haute Autorité pour la diffusion des œuvres et la protection des droits sur internet (Fahefana ambony misahana ny famoahana sangan'asa sy fiarovana ny zo amin'ny aterineto) tamin'ny Alakamisy (09.04.2009) ka miaraka amin'izany ny tsy fahombiazan'ny antokon'ny fitondrana UMP (21-15) hankatoa ny lalàna.

Nanolotra fampitandremana roa ny lalàna ka avy eo, aorian'ny fanitsakitsahana fahatelo, dia fanesorana tsy hiditra aterineto mandritra ny herintaona ho an'ireo mpiserasera tratra mitroka tsy ara-dalàna tahiry (mozika na horonantsary).

Lany tao amin'ny antenimiera roa tonta ny volavolan-dalàna, ary ny ataon'izy ireo tsirairay sisa dia ny mankatoa ny lahatsoratra farany, saingy “nihanahàna tao an-dalantsara ireo sosialista 15, nampiasa ny minitra farany mba handatsa-bato sy haharesy ny lalàna”.

Mandrisika ny governemana sy ny mpanome tolotra aterineto ny orinasan'ny mozika sy ny sarimihetsika mba hampitsahatra na hampiato ireo mpizara tahiry “peer-to-peer” satria manimba ny fidiram-bolan'ny mpanakanto sy ny orinasa mpamokatra izany, saingy nisy ny tsy fahombiazana taorian'ny fitsipahana tahaka izany tany Angletera, Nouvelle Zélande, Alemaina ary na ny Parlemanta Eoropeana koa aza.

Nilaza kosa i Sarkozy fa tapa-kevitra ny hijery ny lalàna nolaniana izy ary niampanga ny mpanohitra ao amin'ny parlemanta ho manao fanodikondinana.

Mikasa hitondra indray ilay volavolan-dalàna amin'ny 27 aprily ny minisitry ny kolontsaina.

Nilaza ny federasiona iraisam-pirenena ho an'ny indostrian'ny fikajiana feo sy ny namany manerantany ao amin'ny RIAA, fa mbola hanohy handresy lahatra hisian'ny lalàna dona in-telo Frantsay izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.