Tantara tamin'ny 26 Febroary 2019
Iza indray ary i Cruz Mejía, mampiantrano ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 25 Febroary ka hatramin'ny 3 Marsa 2019
Iza moa izany i Onésimo Cruz Mejía, mitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 25 Febouary 3 Marsa 2019 ao amin'ny fanentanana media sosialy mifantoka amin'ny fimaroana ara-piteny an-tserasera.
Nofoanan'ny onjam-peo iray ao Rosia ny tafatafa nifanaovana tamin'ireo mpikatroka LGBT taorian'ny fandrahonana ny tonian-dahatsoratra
Naharay fandrahonana ho an'ny vahininay sy ny tenanay manokana izahay omaly raha miroso amin'ny fandaharana resadresaka momba ny LGBT. Ka nofoanako ny fandaharana.
Iran: fomba vaovao mba handrenesana tsara sy mafy ny feo
Andeha hojerena ny fomba fampiasan'ny olona ao Iran ny media sosialy mba handrenesana ny feon'izy ireo rehefa hiharan'ny teritery sy ny sivan'ny governemanta ny fampahalalam-baovao.
Frantsa: Tsy lany tao amin'ny parlemanta ny lalàna ‘dona in-telo’ misahana ny troka “piraty” amin'ny aterineto
Nolavin'ny parlemanta ao Frantsa ny volavolan-dalàna Hadopi (la Haute Autorité pour la diffusion des œuvres et la protection des droits sur internet (Fahefana ambony misahana ny famoahana sangan'asa sy fiarovana ny zo amin'ny aterineto) tamin'ny Alakamisy (09.04.2009) ka miaraka amin'izany ny tsy fahombiazan'ny antokon'ny fitondrana UMP (21-15) hankatoa ny lalàna.
Ejypta: Tatitra eo an-toerana nandrakitra fandikan-dalàna nihatra tamin'ireo mpiserasera aterineto maherin'ny 43
Namoaka tatitra mitondra ny lohateny hoe "Ejypta eo amin'ny kion-dalana ...2008" ny ONG Ejypsiana iray malaza, Foiben'ny Lalàna Hisham Mubarak, tatitra izay manadihady ny satan'ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny firenena nandritra ny taona 2008, anisan'izany ny fanagadrana sy ny fanorisorenana bilaogera. .
Maraoka: Afaka i Fouad Mourtada
(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Navotsotra i Fouad Mourtada, 26 taona, injenieran'ny teknolojia vaovao izay nosamborina tamin'ny 5 Febroary 2008 ary voaheloka telo taona...