- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpikatroka Singapaoreana voasazy higadra 16 andro an-tranomaizina taorian'ny fampiantranoana lahatsarin'antsafa nifanaovana tamin'i Lee Wong tanora mpitarika ao Hong Kong

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Jolovan Wham, tao amin'ny Twitter.

Nosoratan'i Holmes Chan ity lahatsoratra manaraka ity ary navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 21 Febroary 2019 [1]. Naverina navoaka eto amin'ny Global Voices araka ny fiaraha-miasa fifampizarana votoaty ny lahatsoratra nasiam-panitsiana.

Nomena sazy 16 andro an-tranomaizina ilay mpikatroka Singapaoreana Jolovan Wham noho ny fandàvany tsy handoa lamandy tamin'ny lahateny ampahibemaso izay notontosainy tamin'ilay mpikatroky ny demaokrasia ao Hong Kong tamin'ny alàlan'ny Skype tamin'ny taona 2016. Miandry ny valin'ny fampakarana ny raharaha miaraka tamin'ny antoka izy.

Mpikatroka [2] fantatra amin'ny fanentanany mampiroborobo ny zon'ireo mpiasa mpifindramonina, ny fahalalahana miteny ao Singapaoro, ary ny fanavaozana ny lalàna ao amin'ny firenena momba ny fanagadrana sy ny fanamelohana ho faty i Wham .

Tamin'ny volana lasa teo, voaheloka noho ny famorian'olona tsy ara-dalàna [3] tamin'ny resadresaka izay notontosainy tamin'ny lohahevitra mikasika ny “tsy fankatoavana sivily sy ny hetsika sosialy” tamin'ny volana Novambra 2016 i Wham, izay nahitana an'i Joshua Wong sy ireo mpikatroky ny fampitam-baovao ao an-toerana. Nilaza tamin'i Wham ny polisy fa nila fahazoan-dàlana izy mba hanatontosany ny resadresaka tamin'i Wong saingy tsy nisy izany.

Ny 21 Febroary, nampandoavin'ny fitsarana lamandy mitentina 2.000 $ Singapaoro  (1476 $ amerikana) i Wham noho ny fikarakarana fivoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana avy amin'ny polisy. Naharay lamandy mitentina 1 200 dolara Singapaoro (886 dolara amerikana) ihany koa izy noho ny tsy nanasoniavany ny fanambarana nataon'ny polisy.

Nitatitra [4] ny fampahalalam-baovao Singapaoreana fa nisafidy ny tsy handoa ny lamandy i Wham, ary nanameloka azy higadra an-tranomaizina 16 andro noho ny tsy fandoavany izany ny fitsarana. Ankoatra ny famorian'olona tsy ara-dalàna dia voaheloka ihany koa noho ny tsy nanaovany sonia ny fanambaran'ny vavolombelon'ny polisy i Wham. Nilaza izy tamin'izay fotoana izay fa nisafidy ny tsy hanao sonia satria tsy nomena ny dika mitovy.

Mikasa ny hampakatra ny fanapahan-kevitry ny mpitsara i Wham. Noafahana vonjimaika izy rehefa nandoa antoka mitentina 8.000 dolara Singapaoreana (5.906 $ amerikana), araka ny tatitry [5] ny fampitam-baovao.

Ny Tambajotran'ny Hetsiky ny Vondrom-piarahamonina, vondrona iray tsy miankina amin'ny fanjakana misahana ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny faritra no nikarakara ity fivoriana ity. Araka ny voalazan'i Wham, nilazan'ny polisy izy fa tsy maintsy ilaina ny fahazoan-dàlana sy ny fahazoan-dàlana avy amin'ny polisy raha toa ka tsy avy ao Singapaoro ny mpandahanteny mandray anjara – na dia tamin'ny alalan'ny rohin-dahatsary aza no nififampiresahan'izy ireo avy any alavitra.

Nohadihadian'ny polisy [6] nandritra ny 45 minitra i Wham taorian'ny zava-nitranga. Voaheloka ihany izy tamin'ny volana Novambra 2017 [7], saingy tsy notsaraina ny raharaha raha tsy tamin'ny volana Janoary 2019.

Nilaza tamin'ny HKFP i Joshua Wong fa  “mahamenatra sady mampalahelo fa tsy rariny ” ny fanenjehana an'i Wham, ary nalahelo mafy tamin'ny didim-pitsarana izy.

Jolovan generously invited me to share and exchange my experience in Hong Kong’s fight for freedom and justice with the Singaporean community – the irony is not missed here that Jolovan has become a subject of injustice as a result.

I’d like to express my respect and admiration for Jolovan’s perseverance of his values, and my wish for the Singaporean people to one day be able to enjoy true freedom and democracy.

Nanasa ahy tamim-pitiavana mba hizara sy hifanakalo ny traikefako amin'ny ady ho an'ny fahalalahana sy ny rariny ao Hong Kong niaraka tamin'ny vondrom-piarahamonina Singapaoreana i Jolovan – tsy miafina ny ‘fitovian'izany’ eto ka lasa lasibatry ny tsy rariny i Jolovan vokatr'izany.

Tiako ny maneho ny fanajako sy ny fankasitrahako ny fahatokisan'i Jolovan ny soatoaviny, ary iriako ny vahoaka Singapaoreana indray andro any mba ho afaka hankafy ny tena fahafahana sy ny demaokrasia .

‘Ny Fivelatry ny lalàna’

Namaritra ilay sazy ho “tsy rariny” ny mpanao gazety Singapaoreana sady mpiara-miasa amin'ny Global Voices, Kirsten Han, izay vahiny mpandahanteny ihany koa tao amin'ny fivoriana nokarakarain'i Wham.

[The forum] posed no threat to public order whatsoever, and the stretching of the law to declare a forum illegal simply because a non-Singaporean Skyped in shows how broad Singapore’s public order laws are, and how they can be used to restrict Singaporean’s civil liberties…There’s no sentence that I’d consider fair, because he should never have been charged.

Tsy manohintohina ny filaminam-bahoaka mihitsy [ilay fivoriana], ary maneho ny fivelatry ny lalàna mba hanambaràna ny fivoriana ho tsy ara-dalàna sy ny fomba ampiasana ny lalàna hamerana ny zon'ny fahafahana sivily Singaporeana ny resaka tamin'ny alàlan'ny Skype olom-pirenena tsy Singapaoreana… Tsy misy sazy izay heveriko ho rariny, satria tsy tokony ho voampanga velively izy.

Niady hevitra mikasika ny fitantaran'ny mpiampanga ny zava-nitranga ihany koa i Han. Araka ny Fantsona NewsAsia, nanambara [8] ny mpiampanga fa “an'arivony” no nasaina tao amin'ny fivoriana ary olona miisa 366 no nilaza fa liana tamin'ny fanatrehana izany.

Nilaza anefa i Han fa kely dia kely ny isan'ny mpanatrika ny hetsika teo amin'ny 60 teo ho eo ary “antonony tsara”. “Tsy dia lehibe loatra ihany koa ilay toerana,” hoy izy nanampy.