Shina: Fampitandreman'ny Sina Weibo an'ny Deutsche Welle

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2011)

Noterena “hiseho amin'ny endrika hafa” ny kaonty Sina Weibo ofisialin'ny Deutsche Welle tamin'ny 13 Novambra 2011. Fanasaziana mahazatra fanaon'ny Sina Weibo ny famafana ny kaontin'ny mpiserasera namoaka “lohahevitra saro-pady”. Raha mikiry mbola hijanona ao amin'ny Weibo ilay mpiserasera, dia tsy maintsy manokatra kaonty vaovao izy ary manangona mpanjohy vaovao indray, antsoin'ny mpiserasera Shinoa hoe “fisehoana amin'ny endrika hafa indray (re-incarnation) izany.

Ny hafatra “re-incarnation” (fiverenana indray) avy amin'ny Deutsche Welle dia hoe:

不仅无法加V,还在新浪的剿杀下被迫一再转世,这大概是有史以来最悲催苦逼的官方微博了。此前德国之声一直强调说自己不会被封,因为一未违反中国的法律,二未触犯新浪的禁忌。但事实证明,人类已经无法揣测新浪的G点了,或许它全身上下无一处不敏感。

Tsy vitan'ny hoe tsy afaka mahazo “F” [Fanamarihana: marika manondro ny fanamarihana na fanamarinana ny mari-panondroana] isika, fa voatery niseho amin'ny endrika hafa indray eo ambany jadon'ny Sina. Ity angamba no bilaogy madinika ofisialy fandiranovana indrindra teo amin'ny tantaranay. Nilaza hatrany ny Deutshe Welle teo aloha fa tsy ho voasakana eto izahay. Tsy nanao na inona na inona manohitra ny Lalàna Shinoa izahay ary mbola tsy nikasika izay fady napetraky ny Sina. Saingy nanaporofo ny zava-misy fa tsy misy fomba ahafahan'ny olombelona misoroka ny G-spots [Fanamarihana: teboka saro-pady] ao amin'ny Sina. Azo inoana fa manerana ny vatany izany.

Ity manaraka ity dia sariitatra antserasera ao amin'ny g-spots an'ny Sina:

Rehefa tafaverina ny kaontin'ny mpiserasera ao amin'ny DeutsheWelle, dia mahazo mailaka avy amin'ny Sina mitaky azy ireo hanatsahatra ny famoahana hafatra saro-pady sy tsikera an'ny Sina izy ireo.

Naharay hafatra fampitandremana vaovao avy amin'ny tolotra ho an'ny mpanjifan'ny Sina Weibo indray ny Deutshe Welle androany maraina, izay milaza hoe:

再不老实,注销帐号。

Hofafàna ny kaontinao raha mbola manao ny tsy mety ianao.

Na noho ny fihetsiky Deutshe Welle namoaka momba ny rafitra sivana ataon'ny Sina na namoaka ny vaovao momba ny fihetsiketsehana any Guangzhou no anton'ny fampitandremana. Ity ambany ity pikantsary nalaina tamin'ny hafatra:

Mijery anao ny Big brother (Razokiny Be)!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.