- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Tandindonin-doza ny ain'ilay bilaogera 

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Andro maromaro izay no nitokona tsy nihinan-kanina i Hossein Ronaghi Maleki [1] ilay bilaogera nogadraina. Natahorana ny toe-pahasalamany ary nentina nandritra ny adiny roa tany amin'ny hopitaly [2] izy. Nisy gadra politika iray hafa ihany koa nanomboka [3] nitokona tsy nihinan-kanina mba ho fanohanana azy.