(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Andro maromaro izay no nitokona tsy nihinan-kanina i Hossein Ronaghi Maleki ilay bilaogera nogadraina. Natahorana ny toe-pahasalamany ary nentina nandritra ny adiny roa tany amin'ny hopitaly izy. Nisy gadra politika iray hafa ihany koa nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina mba ho fanohanana azy.