- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Efa misy amin'ny teny Espaniola ny “Blog for a Cause”

Sokajy: Mediam-bahoaka, Torolalana, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2008)

Download PDF [1]

Blog Por Una Causa! [1]
Blog for a Cause! [2],  Tari-dalan'ny Global Voices an'ny Blog Advocacy [3], dia efa misy amin'ny Espaniola  [1]noho ny dikan-teny nataon'i María Florencia Puente [4] avy ao amin'ny Global voices Españiola [5].

Manasongadina toro-hevitra mora harahina mikasika ny fomba fampiasana bilaogy izay anisan'ny fanentanana miady amin'ny tsy rariny ny tari-dalana ary mampiseho ireo ohatra mahomby amin'ny bilaogy fanandrata-teny manerantany. Mizara dimy izany:

  1. Fanontaniana be mpametraka momba atao hoe bilaogy fanandrata-teny
  2. Ireo singa 5 lehibe ho an'ny bilaogin'ny fanandrata-teny mahomby
  3. Ireo dingana efatra hananganana bilaogy fanandrata-teny
  4. Ny atao mba hahatonga ny bilaoginao ho fiarahamonin'ny mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika
  5. Toro-hevitra hanampiana ireo mpikatroka bilaogy ho voaaro antserasera.

Azo trohana amin'ny endrika PDF ny Blog Por Una Causa! [1] . Mety mila mametraka Adobe Acrobat Reader [6] maimaim-poana ianao raha hijery izany.

Trohy azafady ny Blog Por Una Causa! [1] ary ampio izahay handika ny tari-dalana amin'ny fiteninao.