Efa misy amin'ny teny Espaniola ny “Blog for a Cause”

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2008)

Download PDF

Blog Por Una Causa!
Blog for a Cause!,  Tari-dalan'ny Global Voices an'ny Blog Advocacy, dia efa misy amin'ny Espaniola noho ny dikan-teny nataon'i María Florencia Puente avy ao amin'ny Global voices Españiola.

Manasongadina toro-hevitra mora harahina mikasika ny fomba fampiasana bilaogy izay anisan'ny fanentanana miady amin'ny tsy rariny ny tari-dalana ary mampiseho ireo ohatra mahomby amin'ny bilaogy fanandrata-teny manerantany. Mizara dimy izany:

  1. Fanontaniana be mpametraka momba atao hoe bilaogy fanandrata-teny
  2. Ireo singa 5 lehibe ho an'ny bilaogin'ny fanandrata-teny mahomby
  3. Ireo dingana efatra hananganana bilaogy fanandrata-teny
  4. Ny atao mba hahatonga ny bilaoginao ho fiarahamonin'ny mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika
  5. Toro-hevitra hanampiana ireo mpikatroka bilaogy ho voaaro antserasera.

Azo trohana amin'ny endrika PDF ny Blog Por Una Causa! . Mety mila mametraka Adobe Acrobat Reader maimaim-poana ianao raha hijery izany.

Trohy azafady ny Blog Por Una Causa! ary ampio izahay handika ny tari-dalana amin'ny fiteninao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.