- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Dimy tapitrisa dolara ho an'ny tetikasa sivana vaovao

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2008)

Araka ny voalazan'ireo tranokalam-baovao maromaro, anisan'izany ny Roozonline [1], nilaza i Mahmoud Salarkia, izay tompon'andraikitra ambony ao amin'ny fitsaràna Iraniana fa dimy tapitrisa dolara no ampiasaina hamolavolàna fitaovana vaovao ho an'ny sivana.