- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nofenoin'ireo mpiserasera sary-sy-soratra momba ny sivana ao Shina ny Reddit

Sokajy: Azia Atsinanana, Etazonia, Shina, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Hehy, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava

Sary maneso ara-politika momba ny sivana nihatra tamin'i Winnie ilay orsa tao Shina. Sary avy amin'ny @Badiucao, nahazoana alalana. 

Raha mikaroka ny teny hoe “Shina” ao amin'ny Reddit ianao amin'ity herinandro ity, dia hahita sary-sy-soratra ara-politika marobe — manomboka amin'ny sarin'ny “Tank Man” tao amin'ny Kianjan'i Tiananmen hatramin'ny Winnie the Pooh sy ny Terminator.

Ireo rehetra ireo dia ho fanoherana ny fanapahan-kevitry ny Reddit vao haingana [1] hamela ny goavan'ny teknolojia Shinoa Tencent hampiasa vola 150 tapitrisa dolara ao amin'ny orinasa.

Tank Man [2]no votoaty malaza amin'ny fikarohana ny teny “China” ao amin'ny Reddit, sary vaovao nalaina tao amin'ny kianjan'i Tiananmen tao Beijing tamin'ny taona 1989  [3]raha nanao famoretana feno herisetra, sy mahafaty tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana milamina ny miaramila Shinoa. Saika sarotra hita ao amin'ny aterineto ao Shina ny sary tahaka izao.

Pikantsary tamin'ny lahatsoratra “Tank Man” avy amin'ny @FreeSpeechWarrior tao amin'ny Reddit. Sary orizinaly avy amin'i Jeff Widener, Associated Press.  Nampiasaina araka ny tokony ho izy.

Nanazava  [3]ny antony namoahany ny sary tao amin'ny Reddit ilay mpisera Free Speech Warrior :

Given that reddit just took a $150 million investment from a Chinese censorship powerhouse, I thought it would be nice to post this picture of “Tank Man” at Tiananmen Square before our new glorious overlords decide we cannot post it anymore.

Satria vao avy nandray vola 150 tapitrisa dolara avy amin'ny tranoben'ny sivana Shinoa ny reddit, dia nieritreritra aho fa tsara raha mamoaka ity sarin'ny “Tank Man” ao amin'ny kianjan'i Tiananmen ity alohan'ny hanapahan'ny tompony vaovao fa tsy afaka mamoaka izany intsony isika.

Nandritra ny famatsiam-bolany farany,  dia nahazo vola 300 tapitrisa dolara tamin'ny fampiasam-bola ny Reddit, antsasany ny avy amin'ny Tencent ary antsasany ny avy amin'ny mpampiasa volan'ny orinasa teo aloha, anisan'izany ny Sequoia, Fidelity, Tacit ary Snoop Dogg.

Manana mpiserasera mavitrika maherin'ny 330 tapitrisa ny sehatra izay ahitana pejy misy mijery in-14 miliara isam-bolana, saingy tsy azo idirana ao Shina izy noho ny fitondrana matanjaka amin'ny fanivanana aterineto ao amin'ny firenena. Nakaton'ilay antsoina hoe Rindrin'Afo Lehibe ao Shina ireo sehatra tambajotra sosialy lehibe vahiny rehetra, anisan'izany ny Facebook, Twitter ary YouTube.

Tencent no ao ambadiky ny fampiharana media sosialy malaza indrindra ao amin'ny firenena, WeChat, sy ny lalao amin'ny aterineto, League of Legend. Miankina tanteraka amin'ny lalàna Shinoa mikasika ny fepetran'ny sivana ao an-toerana ny orinasa ary tato anatin'ny taona vitsivitsy dia niezaka nanitatra ny fampiharana finday any amin'ny tsena iraisam-pirenena ry zareo.

Raha matetika mampiasa vola any amin'ny orinasan'ny fampitam-baovao Amerikanina ireo orinasa Shinoa, dia mahatonga ny lalao ho tsy mahazatra izany.

Na dia tsy misy porofo aza fa ny Tencent no manana fahefana hampiroborobo ny sivana amin'ny endrika shinoa ao amin'ny Reddit, dia mbola tahaka ny hevitra mifanohitra ny hevitra hoe Reddit sy Tencent manana karazana fifandraisana ara-barotra. Tencent no mpampihatra lehibe ny sivana amin'ny media sosialy ao Shina, raha saika ankatoavina avokoa ny hevitra sy ny lahateny rehetra ao amin'ny Reddit. Ary amin'izao fotoana izao, maro amin'ireo hevitra ireo no avy amin'ny mpiserasera Reddit izay matahotra fa hitarika sivana marobe kokoa ao amin'ny sehatra ny fampiasam-bola.

Nisy nijery in-203.000 mahery ny votoaty Tank Man tao amin'ny Reddit ary nanosika ireo mpiserasera maro handefa hafatra ara-politika tahaka izany.

Tamin'ny lahatsary fanehoan-kevitra iray, @SpunTheOne nanasa ny olona mba hizara fika hialàna amin'ny Great Firewall ao Shina. Ary mpiserasera iray hafa nampahatsiahy ny olona mikasika ny loza ara-piarovana mety hitranga amin'ny fampiasana fitaovana solosaina vita ao Shina:

China is something else. You can buy a Chinese tablet straight from China and it will have locks for accessing Google or installing the US play store. Their firmware is totally censorship driven.

Zavatra hafa i Shina. Afaka mividy tablety Shinoa mivantana avy any Shina ianao ary hahita hidy ianao amin'ny fidirana ao amin'ny Google na ampametrahana play store Amerikana. Mifototra tanteraka amin'ny sivana ny raindrambaikon'izy ireo anatiny (firmware)

Niteraka hetsi-panoherana malaza hafa tao amin'ny Reddit ny sary iray mampiseho ny “toby fanarenana” [4] ao amin'ny faritra Xinjiang ao Shina. Naneho ahiahy [5]ny amin'ny mety hanivanana ny votoaty amin'ny fampiasam-bolan'ny Tencent ny mpisera Reddit iray:

The Chinese are baselessly putting Uighurs into internment camps just because they are Muslims. Figured I would put this out there before it becomes banned.

Mametraka fahatany ny Uighurs ao amin'ny toby famonjana ny Shinoa satria hoe Silamo izy ireo. Nieritreritra aho fa hamoaka ity alohan'ny handraràna azy.

Nandinika ny tanjak'ireo orinasa goavan'ny teknolojia tamin'ity adihevitra ity kosa ireo mpisera Reddit hafa:

Tech companies are in a dilemma here, on one hand China is like the golden whale of untapped potential for $$$. On the other hand working with them often means giving tacit, outright support or even assistance to the moral and ethical failures of their government. more and more tech companies are showing that they are no better than previous corporate industries by supporting this regime which has an absolutely brutal human rights record.

Handroso maty raibe hihemotra maty renibe ireo orinasan'ny teknolojia, etsy andaniny, tahaka ny trozona volamena mbola tsy voatrandraka $$$ i Shina. Etsy ankilany, ny fiarahamiasa amin'izy ireo dia matetika midika hoe fanohanana miafina, fanohanana mivantana na koa fanampiana ny tsy fahombiazana ara-maoraly sy ara-etikan'ny fitondram-panjakan'izy ireo. Mihamaro hatrany ireo orinasan'ny teknolojia mampiseho fa tsy tsara kokoa noho ireo orinasa teo aloha izy ireo amin'ny fanohanana ity fitondrana izay manana tarehimarika ratsy tanteraka momba ny zon'olombelona ity.

Nanararaotra hampiroborobo ny fomba fijerin'izy ireo ara-politika kosa ny mpisera iray mpomba ny fahaleovantenan'i Taiwan. @Foxeydog nilaza hoe: [6]

Since Reddit has accepted Chinese censorship money. Need to get this out there. SUPPORT AN INDEPENDENT TAIWAN

Satria efa neken'ny Reddit ny volan'ny sivana Shinoa. Dia mila mandroaka azy eto. TOHANO I TAIWAN MAHALEOTENA

Niseho [7]ihany koa i Winnie the Pooh, sary sy soratra voasivana tao amin'ny media sosialy Shinoa:

Since Reddit took a $150 million investment from Chinese Censorship company Tencent, please welcome our leader President Xi.

Satria efa nandray fampiasam-bola vola 150 tapitrisa dolara avy amin'ny orinasan'ny Sivana Shinoa Tencent ny Reddit, dia raiso azafady ny mpitarika filohantsika Xi.

Nosivanina tao amin'ny media sosialy Shinoa ny sariitatra orsa rehefa nanomboka nampitaha (tamim-pivazivaziana) ity karazam-biby matavy ity tamin'ny filoha Shinoa Xi Jinping ny mpiserasera.

Nahasarika ny maro tao amin'ny aterineto ireo hetsi-panoherana sary-sy-soratra, na dia vitsy aza ny porofo fa hirotsaka an-tsehatra amin'ny fampiharana ny famerana ny votoatin'ny Reddit ny Tencent. Na izany aza, @Dariusz2K nampahatsiahy [8] ireo namana mpanao fihetsiketsahana ao amin'ny Reddit:

Sary-sy-soratra Terminator.