- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Bloguer pour une cause” amin'ny teny Frantsay

Sokajy: Mediam-bahoaka, Torolalana, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra niaingana tamin'ny marsa 2008)
header-blog-cause_fr.jpg [1]

Faly izahay manambara fa efa misy amin'ny teny frantsay [2] ny Blog for a Cause! [3], tari-dalan'ny Global Voices an'ny Blog Advocacy [4], misaotra an'i Claire Ulrich [5] avy ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Frantsay [6]nandika izany. Efa misy amin'ny teny Espaniola [7] ny Blog for a Cause! ; efa an-dalana ny dikan-teny amin'ny fiteny Arabo, Shinoa sy Bengali.

Ahitana toro-hevitra mora harahina mikasika ny fomba fampiasàna ny bilaogy ho amin'ny fanentanana manohitra ny tsy rariny sy mampiseho ireo ohatra mahomby amin'ny bilaogy fiarovana manerantany ny tari-dalana. Ahitana fizarana dimy izany:

  1. Fanontaniana matetika apetraka momba ny atao hoe bilaogy fanandrata-teny
  2. Ireo singa 5 manan-danja amin'ny bilaogy fanandrata-teny mahomby
  3. Ireo dingana 4 fananganana bilaogy fanandrata-teny
  4. Ahoana ny fomba hahatonga ny bilaoginao ho fiarahamonin'ireo mpilalatsaka an-tsitrapo mavitrika
  5. Toro-hevitra hanampy ireo mpikatroka bilaogy mba ho voaaro antserasera.

[download#8#nohits]

Trohy azafady ny Bloguer pour une cause ! [2] (endrika PDF) ary ampio izahay handika izany amin'ny fiteninao.