- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Tohidloo, nosamborina ilay bilaogera reformista

Sokajy: IrĂ na, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nosamborina i Somayeh Tohidloo, vehivavy bilaogera reformista. Satria nihamitombo ny hetsi-panoherana nanohitra ny voka-pifidianana filoham-pirenena Iraniana dia nosamborin'ny manampahefana Iraniana ireo mpikatroka politika maromaro. Vao avy nanatontosa antsafa tamin'ny Aterineto [1] izy sy ireo bilaogera roa niaraka tamin'ny filoha teo aloha, Mohammad Khatami.