(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Nosamborina i Somayeh Tohidloo, vehivavy bilaogera reformista. Satria nihamitombo ny hetsi-panoherana nanohitra ny voka-pifidianana filoham-pirenena Iraniana dia nosamborin'ny manampahefana Iraniana ireo mpikatroka politika maromaro. Vao avy nanatontosa antsafa tamin'ny Aterineto izy sy ireo bilaogera roa niaraka tamin'ny filoha teo aloha, Mohammad Khatami.