Shina: Fanarahamaso ny somaiso amin'ny finday

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2010)

Araka ny tatitry ny Xinhuanet,  hanomboka hampiato ny SMS amin'ny finday ny sampana Mobile China Shanghai raha mahita izy ireo fa mizara votoaty “vetaveta”, “pôrnôgrafika” sy votoaty hafa tsy ara-dalàna izy ireo. Midika izany politika izany fa hanaramaso ny hafatra amin'ny finday ny orinasa ary mamela ny governemanta hiditra ihany koa.

Nilaza ny tatitra fa mifototra amin'ireo sehatra 13 notanisain'ny CIIRC ny famaritana ny votoaty tsy ara-dalàna , anisan'izany

1. Votoaty manazava sy mampiseho taova ara-pananahana;
2. Votoaty ahitana fihetsika mamoafady na mamitaka na manompa olona
3. Votoaty ahitana resaka mamoafady sy mamaritra ny firaisana ara-nofo
4. Fitanjahana
5. votoaty ahitana sary nono na manainga zipo
6. Lohahevitra mamoafady sy vetaveta mba hisarihana mpijery
7. Teny, lahatsary sy horonantsary voasivana na voaràra
8. Vaovao mifandraika amin'ny fiarahana indray alina, ny mifanakalo sipa sy ny fihetsika SM
9. Sarimiaina vetaveta
10. Votoaty feno herisetra sy fanevatevana
11. Dokambarotra fanafody (zava-mahadomelina) tsy ara-dalàna sy ny fitsaboana ny aretina azo avy amin'ny firaisana
12. Votoaty manafika ny fiainana manokan'ny hafa
13. Rohy, sary ary lahatsoratra izay manoro tranonkala vetaveta sy mamoafady.

Nanoritra ity orinasan'ny finday ity fa “amin'ny teoria, isaky ny mandefa SMS mavo iray, dia ho hitan'ny rafitra izany ka haato ny fiasan'ny somaiso amin'ilay laharana finday”. Araka izany dia hametraka ny raharaha any amin'ny manampahefam-panjakana ny orinasa mba hisian'ny fanadihadiana bebe kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.