- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Niverina ny Ammar 404 ary nanivana bilaogy indray

Sokajy: Tonizia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2009)

Taorian'ny fiatoana fohy, dia nanafika indray ny tontolon'ny bilaogy Toniziana ny Ammar 404 [1]. Ammar no anaram-bositra nomen'ny bilaogera toniziana ho an'ny milina mpanivana manembatsembana ny fidiran'izy ireo amin'ny aterineto ary ny bilaogin'i 3amrouch, Zig Zag [2] no lasibatra tamin'ity indray mitoraka ity. Toa voasivana ny bilaogy noho ny famoahana pikantsary tamin'ny gazety Kanadiana [3] izay nampiseho ny famarotana Villa iray novidian'ny vinantolahin'ny filoha Toniziana Mohamed Sakhr El Matri iray tany Kanada tamin'ny vola be tsy toko tsy forohana – vaovao izay tian'ny governemanta Toniziana hafenina amin'ny vahoaka. Bilaogera maro no nanoratra momba ity sivana ity ary nanameloka izany.

Samsoum [4] nanoratra hoe:

Le blog de 3amrouch a été censure car il a repris une information publique sur un journal canadien qui est accessible a tout le monde. Par solidarité je publie aussi le lien vers ce journal qui cite dans sa page 10 la transaction immobilière qu'on veut cacher a tout prix. Et qu'on censure ce blog aussi!!!

Voasivana ny bilaogin'i 3amrouch noho ny famoahana indray ny vaovao avy amina gazety Kanadiana izay azon'ny rehetra jerena. Ho firaisankina, dia namoaka rohy misy ity gazety ity ihany koa aho izay mampiseho ny pejy faha-10 mikasika ny fividianana trano  tian'ny governemanta afenina fatratra. Avelao izy ireo hanivana ity blaogy ity koa !!!

Thoughts of an ex-Muslim [5] nanoratra hoe:

مادام لم يدع لكره أو عنف أو ارهاب ،
لا للحجب دون قرار قضائي واضح و علني و مسبب، لا للحجب بسبب نقد مظاهر الفساد ، الغبي الذي اتخذ القرار تقفيفا لسيدي بوحجر انما خدم عمروش و أضر سيده الصغير
Raha mbola tsy niantso ho amin'ny fankahalàna, herisetra, na fampihorohoroana izy, dia tsy ekena ny sivana tsy misy fanapahan-kevitra ara-pitsarana mazava, malalaka sy ara-drariny. Tsy ekena ny sivana noho ny fitsikerana ny lafiny kolikoly. Ny olona adala izay nandray ny fanapahan-kevitra hanivana mba hampifaliana an'i Sidi Bouhjar (anarana nomena an'i Sakhr El Materi), dia nampiasa an'i 3amrouch  mba hanimba ny tompony kely.

Ordinary stories [6] nibilaogy hoe:

المدونة متاع عمروش تم حجبها لأنها تناولت موضوع ما عجبش المسؤولين على أمننا وسلامتنا
قد ما قلنا ونددنا بهذه الممارسات، عمار ما فهمش، ما هوش فاهم وماهوش ناوي يفهم
هذاك علاش، تضامنا مع المدونة المحجوبة باش نعاود ننشر الموضوع إلي أغلب الظن أنه كان السبب وراء عملية الحجب
Nosivanina ny blaogin'i 3amrouch satria niresaka lohahevitra izay tsy mahafaly ireo tompon'andraikitry ny filaminana sy ny fiarovana. Na dia teo aza ny fanamelohanay ireo fomba fanao ireo, tsy takatr'i Ammar izany. Tsy mahatakatra izy ary tsy ho takany mihitsy. Izany no antony hamoahako indray ilay lohahevitra izay mety ho anton'ny sivana.