- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Nosakanan'ny Linkedin ireo mpiserasera Syriana!

Sokajy: Syria, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny avrily 2009)

Fanavaozam-baovao: Ity lahatsoratra ity dia navoaka voalohany tao amin'ny ArabCrunch [1] ary nahazo alalana alefa eto indray, miala tsiny aho tamin'ny fanadinoana nanamarika izany.

Nitatitra  [2](rohy amin'ny teny Arabo) ny bilaogy AnasOnline fa nosakanan'ny Linkedin [3] (AC Group eto [4]) tanteraka ireo mpiserasera Syriana rehetra. Araka ny voasoratra ao amin'ny lahatsoratra bilaogy:

3 weeks ago when Linkedin blocked all Syrian IPs users, but they were able to access the site by using IP changing programs (such as Tor [5]), but in the last days, Linkedin blocked all Syrian users even if they changed their IPs,  and when the users try to access the website this message appears to them:

Access to this account has been suspended. Please contact Customer Service to resolve this problem

telo herinandro lasa izay no nakaton'ny LinkedIn ireo mpiserasera Syriana IP rehetra, saingy afaka niditra tamin'ny tranonkala izy ireo tamin'ny alalan'ny fampiasana fandaharana fanovana IP (tahaka ny Tor [5]), saingy tato anatin'ny andro vitsivitsy, nosakanan'ny Linkendin avokoa ny mpiserasera Syriana rehetra na dia efa nanova ny IP aza izy ireo, ary rehefa miezaka miditra ny tranonkala ireo mpiserasera, dia mipoitra ity hafatra ity:

Naato ny fidirana amin'ity kaonty ity. Mifandraisa amin'ny tolotra ho an'ny mpanjifa azafady mba hamahana olana

Nilaza ihany koa izy fa raha vao mandefa mailaka any amin'ny tolotra misahana ny mpanjifa ianao, dia hilaza izy ireo fa nakatona ny kaontinao satria Syriana ianao.

Ho an'ireo izay tsy mahafantatra ny atao hoe Linkedin: dia tambajotra sosialy momba ny asa izany, tahaka ny Facebook saingy ho an'ireo mpiserasera momba ny fihariana.

Nanamafy tamin'ny ArabCrunch [1] ny loharanom-baovao tao Syria fa linkedin no tao ambadiky ny fanakatonana, manohana izany ny loharanom-baovao satria araka ny filazan'izy ireo, rehefa miezaka miditra amin'ny linkedin.com, dia misy hoe ” TCP error” miaraka amin'ity hafatra ity:

A communication error occurred: “”

The Web Server may be down, too busy, or experiencing other problems preventing it from responding to requests. You may wish to try again at a later time.

For assistance, contact your network support team.

Nipoitra ny fahadisoam-pifandraisana: “”

Mety nesorina, sahirana loatra, na nanana olana hafa tamin'ny fanakanana azy tsy hamaly ireo fangatahana ny lohamilina. Afa-manandrana miditra indray ianao rehefa kelikely.

Raha mila fanampiana, dia antsoy ny ekipa mpanohana ny tambajotra.

Nanamarika ny loharanom-baovao fa rehefa miezaka miditra amin'ny tranonkala izay nakaton'ny governemanta Syriana, tahaka ny Facebook izy ireo, dia pejy fotsy no hita eo.

Niditra tamin'ny tranonkala tamin'ny alalan'ny fandaharana proxy ny loharanom-baovao ary nahomby izany saingy tsy afaka nandeha lavitra

Araka ny loharanom-baovao ao Syria, orinasa Amerikana maro no nanakatona ny tranonkalan'izy ireo tamin'ny mpiserasera Syriana, tahaka ny Google [6] sy Sun Microsystems [7], izay samy nanakana ireo karazana fitrohana rehetra tamin'ny tranonkalan'izy ireo, nakaton'ny Google ihany koa ny code.google.com, fahavoazana ho an'ireo developera Syriana.

Matahotra ny mpiserasera Syriana rehefa tonga ny andro tsy ahafahany miditra amin'ny  Gmail sy ny milina fikarohana Google” Hoy i Anas tao amin'ny lahatsoratra ary matahotra izany koa aho satria tiako loatra ny Gmail

Manome ireo fandaharana nakatona rehetra ho azo trohana maimaim-poana ihany koa i Anas