Tantara tamin'ny 22 Febroary 2019
‘Tsy hitsahatra aho': Lehilahy Kazakh mikatsaka ny rariny ho an'ny fianakaviany raikitra ao Xinjiang any Shina noho ny famoretana
Milaza ireo manam-pahaizana ao amin'ny Firenena Mikambana fa olona an-tapitrisany maro no mety ho nampidirina ao amin'ny toby Shinoa "fiarenana indray" . Kanefa firy no maty tao anatin'izany toerana izany?
Bilaogera Birmana voaheloka higadra roapolo taona sy enimbolana an-tranomaizina
Nanameloka an'i Nay Phone Latt higadra roapolo taona sy enim-bolana an-tranomaizina ilay mpitsara Daw Soe noho ny fananana lahatsary voarara sy ny fananana bilaogy hanehoana ny ahiahiny mikasika ny zava-tsarotra tsy mitsaha-mitombo atrehin'ny vahoaka Birmana amin'ny fanehoana ny heviny hatramin'ny fihetsiketsehana ny taona (2007) .
Tonizia: Niverina ny Ammar 404 ary nanivana bilaogy indray
Taorian'ny fiatoana fohy, dia nanafika indray ny tontolon'ny bilaogy Toniziana ny Ammar 404.
Syria: Nosakanan'ny Linkedin ireo mpiserasera Syriana!
Nitatitra (rohy amin'ny teny Arabo) ny bilaogy AnasOnline fa nosakanan'ny Linkedin (AC Group eto) tanteraka ireo mpiserasera Syriana rehetra.
Shina: Fanarahamaso ny somaiso amin'ny finday
Araka ny tatitry ny Xinhuanet, hanomboka hampiato ny SMS amin'ny finday ny sampana Mobile China Shanghai raha mahita izy ireo fa mizara votoaty "vetaveta", "pôrnôgrafika" sy votoaty hafa tsy ara-dalàna izy ireo.
Voasivana ny tranonkala Fararu ao Iran
Nanambara [fa] ny tranonkalam-baovao Fararu ao Iran androany fa nosivanin'ny manampahefana Iraniana ny tranonkala. Tsy nahazo vaovao momba ny anton'ny sivana ireo mpitantana ny Fararu.