- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Miantso ny Fandroahana ireo Tia ny Mitovy Fananahana aminy ireo Solombavambahoaka

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2008)

Nametraka fangatahana hamongorana ny fiarahan'olona mitovy fananahana ao amin'ny firenena ireo solombavambahoakan'i Bahrain.

Manome ny heviny momba ny fangatahan'ireo sombavambahoaka Islamista ny mba handroahana ny fiarahan'olona mitovy fananahana ao amin'ny sekoly Bahraini sy ny hanaovana sesitany ireo vahiny tia ny mitovy fananahana aminy i Mahmood Al Yousif, bilaogera tranainy mpampiasa lahatsary izay vao nanomboka andiam-bilaogy an-dahatsary vaovao antsoina hoe M.Report.

Manampy izy:

Toa tsy lavitry ny sain'ny Islamista mihitsy ny fananahana, indrindra raha mpanao lalàna izy ireo. Angamba mety noho ny fahitan-dry zareo ny anjara asany araka ny lalàna ho tsy hafa ankoatra ny fiarovana ny vahoaka amin'ny tenany – raha araka ny fomba fijeriny aloha – ary manome antoka fa hanaraka ny làlana mahitsy sy marina ny fiarahamonina – mbola araka ny famaritany ihany – mba tsy hiafaran-dry zareo any amin'ny helo sy ny fanamelohana mandrakizay. Mety ho noho ny fitiavan-tena ihany koa izany, izay ahitan-dry zareo fa ny fanatanterahana io asa “fanaraha-maso” io anatin'ny parlemanta sy amin'ny fiainana, no hahazoany isa tsy hay tononina hakàna “brownie” avy amin'i Allah any an-danitra ary amin'izany, manome antoka ny fahafahan-dry zareo manao firaisana ara-nofo araka izay tiany. Vola aloha miaoriana, raha tianao. Tsy azoko antoka raha nisy nikajy ny fotoana lanin-dry zareo tao amin'ny parlemanta tao niresaka izay zavatra hitany azo kianina: ny fananahana amin'ny ankapobeny, ny firaisan'ny lahy samy lahy, ny firaisan'ny vavy samy vavy, ireo sarin-dahy, sy ny hafa rehetra, kanefa manakaiky ny haotra ny fotoana atokan-dry zareo amin'ny fanasaziana ireo mpanao herisetra ara-pananahana sy ireo mpanolana zaza. Angamba tsy misy ny fotoana lanin-dry zareo nanomezana antoka fa masina tsy azo kitikitihana ny fahafahan'ny tsirairay, ary haotra ny fotoana lanin-dry zareo niresahana fotsiny ny fanovàna ny sata mifehy azy ireo mba hampahomby azy kokoa.

Tsy taitra amin'ity fangatahan'ny solombavambahoaka ity ihany koa i Kawthar, ao amin'ny Mideast Youth. Manoratra izy:

Niantso izao manaraka izao io fangatahana io – izay nataon'ny parlemanta sonia:
1. Ny hanajanonan'ny Minisitry ny Atitany ny fanomezana alàlana hipetraka ho an'ireo vahiny tia ny mitovy fananahana aminy
2. Ny hanarahan'ny Minisitry ny Fampianarana maso ireo mpianatra, ary ny hanasaziana ireo mirona mankany amin'ny fitiavana olona mitovy fananahana aminy
3. Ny hanarahan'ny Minisitry ny Varotra sy ny Indostria maso ireny efitra fanorana sy fanaovam-bolo ireny mba hahazoana antoka fa tsy manana efitrano mikatona ry zareo ary hotsaraina ireo mpanolana
Raha fintinina, mangataka ny fananganana ny fiarahamonina “Orwelliana [1]” ireo solombavambahoaka.