- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

150 taonan'ny Ceylon Tea: Andro iray amin'ny fiainan'ny mpiasan'ny fambolena

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Mediam-bahoaka, Sakafo, Sendikà, Tantara, Tontolo_iainana, Vehivavy sy Miralenta
[1]

Tantaran'ny Saraswathi. Sary avy amin'i Groundviews.

Ahitana lahatsary notontosain'i Selvaraja Rajasegar, nivoaka voalohany tao amin'ny [1] Groundviews, tranonkala nahazo loka tamin'ny fanoratan'olon-tsotra isan'andro ao Sri Lanka. Navoaka teto ambany ny endrika nasiam-panovana araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty nifanaovana tamin'ny Global Voices.

Mifoha maraina amin'ny dimy sy sasany i Saraswathi, 38 taona, manatitra ny zanany mianatra mialoha ny hitodihany miasa.

Asongadin'ny tataran'i Saraswathi ny sasantsasany amin'ny fanamby [2] atrehin'ny Malaiyaha [3] (saham-pambolena) an'ny vondrom-piarahamonina Tamil, izay niaina sy niasa tao Sri Lanka nihoatra ny 150 taona [4].

Sarotra [5] ho an'ny ray aman-dreny ny mahita sakafo ilaina ho an'ny mpianatra araka ny drafi-pamahanana an-tsekoly napetraky ny governemanta — toa tsy misy taharo mamelona amin'ny ankapobeny ny roti (mofo) hanin-dry zareo isan'andro, saingy izay matetika no zavatra tokana zakan-dry zareo.

Mampiasa olona mihoatra ny 1 tapitrisa [6] (mivantana na ankolaka) ny fitambaran'asa fanaovana dite Sri Lankey. Maro amin'ireo mpiasan'ny indostirian'ny dite miisa 500.000 [7] no taranaka mpiasa Tamil fiaviana mora karama nentin'ny [8] mpanapaka mpanjanatany britanika avy any India ho ao Sri Lanka tamin'ny taonjato faha-19, ary mihoatra ny atsasaky ny mpiasa no vehivavy.

Efa an-taonany maro izao ireo mpiasan'ny fanaovan-dite ireo no niantso ny hampakarana ny karama fototra isan'andro ho Rs. 1000 (US$ 5.50) [9]. Vao haingana ny Fifanarahana Karama Itoviana – nifanaovan'ny sendikà sy ireo orinasam-pambolena ao amin'ny faritra no nosoniavina, izay mametraka ny karama fototra isan'andro ho Rs. 700 (US$ 3,90). Notsenain'ny fitokonana nieli-patrana nataon'ny mpiasan'ny saham-pambolena sy ny hetsika firaisankina tao Colombo izany.

Nilaza ny Orinasam-pambolena ao amin'ny faritra fa tsy azo tanterahana izany karama Rs. 1000 (US$ 5,50) isaky ny andro iasana izany. Na dia iray amin'ireo mpanondrana faratampony [6] ao Sri Lanka aza ny Ceylon Tea, dia niaritra fatiantoka maro ny sehatr'asa noho ny antony maro, ka tafiditra amin'izany ny fikorontanan'ny toetrandro. Na izany aza, araka ny asehon'ny tantaran'i Saraswathi, tsy ampy velively ny karamany hisahanana ny fandanian'ny fianakaviany, ka manampy izany, voatery ny tanora miala na mitady asa hafa any an-kafa.

Jereo ny lahatsary:

சரஸ்வதியின் ஒருநாள் கதை [11]

சரஸ்வதியின் ஒருநாள் கதை maatram.org/?p=7508 #MalayagaTamil

Geplaatst door Maatram [12] op Dinsdag 5 februari 2019