- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Bilaogera reformista sy mpikatroka voasambotra

Sokajy: Iràna, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
abtahi

Raha mbola nanohy ny hetsiny ireo mpanao fihetsiketsehana nanerana an'i Iran nanohitra ny valim-pifidianana filoham-pirenena ny volana 12 Jona 2009 dia nosamborin'ny [1] manampahefana Iraniana ireo mpikatroka an-jatony, anisan'izany ireo bilaogera.

Nosamborina i Mohammad Ali Abtahi [2], filoha lefitra reformista teo aloha sady mpanolo-tsaina an'i Mehdi Karoubi [3], kandidà reformista. Nanavao ny bilaoginy isan'andro i Abtahi nandritra ny taona maromaro ary nizara ny heviny mikasika lohahevitra samihafa, anisan'izany ireo raharaha Iraniana.

Indro ny lahatsoratra farany izay navoakan'ny [4] namany tao amin'ny bilaoginy amin'ny fiteny roa, Webneveshteha :

Mr. Abtahi arrested
Mohammad Ali Abtahi,former vice president during Mr. Khatami's presidency and the advisor to Mr. Karroubi in the presidential election had been arrested today (Tuesday). Whenever he gets released, he will write here on his website

Nosamborina i Abtahi
Nosamborina androany i Mohammad Ali Abtahi, filoha lefitra teo aloha nandritra ny fitondran'Atoa Khatami sady mpanolotsaina an'Atoa Karroubi tamin'ny fifidianana filoham-pirenena. Isaky ny mahazo fahafahana izy dia hanoratra eto amin'ity tranokalany ity

Niantso ny fifidianana ho “hosoka miharihary izy” tao anatin'ny iray tamin'ireo lahatsorany farany [5]:

I analyzed the obvious cheating. It was a huge swindling. Election was planned so wisely. From one hand it made a new record of voting as it broke the previous record of Mr. Khatami who had gained more votes in second term of his presidential election and Mr. Ahmadi Nejad should gain more than him. Also they would like to destroy Mr. Mosavi and his companions. Another important part of scenario was the story of Mr. Karobi's 300,000 ballots. Although Mr. Karobi had a fixed huge number of votes, they considered 300,000 votes for him avoiding others to say such democratic mottos. Meanwhile information of other towns was showing at least equal votes for Mr. Mosavi and Ahmadi Nejad.

Nohadihadiako ny fitaka miharihary. Tena hosoka goavana izany. Efa nomanina tamim-pisainana lalina ny fifidianana. Etsy andaniny, zavabita tsara indrindra vaovao no hita amin'ny isan'ny nifidy satria montsana ny isan'ny mpifidy azon'Atoa Khatami ho an'ny fe-potoana hiasana faharoa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ary tokony hahazo vato betsaka noho izy Atoa Ahmadi Nejad. Mikasa ny hamotika an'i Atoa Mosavi sy ny namany ihany koa izy ireo. Ny zava-dehibe hafa tamin'ity zava-nitranga ity dia ny tantaran'ny isam-bato azon’ Atoa Karobi izay miisa 300.000. Na dia nanana isam-bato maro aza Atoa Karobi dia neken'izy ireo ny vato miisa 300.000 ho azy mba hialana amin'ny filazan'ny hafa amin'ny teny filamatra demokratika. Mandritra izany, naneho farafahakeliny isam-bato mitovy ho an'Atoa Mosavi sy Ahmadi Nejad ny fampahalalam-baovao hafa avy amin'ny tanana sasany .

Nosamborina ihany koa i Somayeh Tohidloo , vehivavy bilaogera reformista. Raha nitombo ny hetsika manohitra ny valim-pifidianana filoham-pirenena Iraniana dia nanohy ny fisamborana ireo mpikatroka ara-politika ireo manampahefana Iraniana. Vao avy nikarakara antsafa tamin'ny Aterineto [6] niaraka tamin'ny filoha teo aloha Mohammad Khatami izy sy ireo bilaogera roa tamin'izay.

Toa hita fa tsy azo nidirana intsony ny bilaoginy [7] .

Mampahafantatra [8] momba ireo bilaogera marobe hafa nosamborina i Mojtaba Saminejad , bilaogera monina ao Iran sady mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona.

Nilaza i Saminejad fa notanana avokoa i Shiva Nazar Ahari [9],  vehivavy bilaogera sady mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, ​​Mehesa Amarabadi, vehivavy bilaogera sady mpanao gazety, Karim Argandehpour [10], bilaogera sady mpanao gazety malaza ary i Amad Baharvar [11] .

Mbola tsy fantatra hatramin'ny fotoana nanoratana ny fiampangana hanenjehana ireo bilaogera ireo.