- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary resadresaka momba ny fikatrohana nomerika sy ny media sosialy any India nifanaovana tamin'i Gaurav Mishra

Sokajy: India, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2009)

Ity lahatsoratra ity no faharoa amin'ireo andian-dahatsary fanadihadiana izay ho ataontsika mandritra ny volana manaraka ato amin'ny Global Voices Advocacy. Natombotsika tamin'i Robert Guerra [1], talen'ny tetikasa Fandaharan'asa ho an'ny Falalahan'ny Aterineto Manerantany  [2]ao amin'ny Freedom House [3] mikasika ny  fikarohana ny “Fahalalahan'ny Aterineto” [4].

Ao anatin'ity horonantsary ity aho nanadihady an'i Gaurav Mishra [5], mpiara-miasa amintsika ato amin'ny Global Voices [6] sy ny sakaizan'i Yahoo septambra 2008!  Ary manana ny toerany manokana eo amin'ny sehatra Iraisam-pirenena, Fifandraisana, Teknolojia ary Aterineto Manerantany ao amin'ny Oniversite Georgetown, momba ny andraikitry ny media sosialy sy ny fikatrohana nomerika [7] any India.

Manomboka amin'ny hetsika Orkut an'i Shiv Sena,  [8]nasionalista Haindòa elatra havanana hatramin'ny hetsika Facebook Pink Chaddi [9] liberaly kokoa, manadihady ny olana momba ny fifandonana ara-pivavahana hita taratra ao anaty aterineto i Gaurav ao anatin'ity tafatafa ity, fifandonana izay hita any amin'ny firenena izay mbola henjana be ny fizarazarana ara-tsaranga, sokajy sy fivavahana na dia eo aza ny ny endrika laika ao amin'ny fanjakana.

http://blip.tv/play/AYGFrVmDo3E

Ny sary 3D nampidirina tao anatin'ny lahatsary tsirairay dia avy amin'ny namako Astrubal [10] avy any Tonizia.