- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitaraina ny zafikelin'ny mpitondra ao Kazakh fa tsy manana pasipaoro intsony izy rehefa avy nigadra tany amin'ny fonja tsy miankina Rosiana

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Hehy, Mediam-bahoaka

Pikantsary avy amin'ny kaonty Facebook-n'i Aisultan Nazarbayev. Mpitarika mandrakizay ho azy ao Kazakhstana, i Nursultan Nazarbayev ilay lehilahy manoroka an'i Aisultan fony zaza eo amin'ny sary rakotra. 

Nampitolagaga ireo mpiserasera media sosialy ao amin'ny firenena Azia Afovoany ny zafikelin'i Nursultan Nazarbayev, mpitarika matanjaka ao Kazakhstan, tamin'ny filazana fa “olona tsy manana pasipaoro” izy rehefa avy nigadra tao amin'ny “fonja Rosiana tsy miankina”.

Namaly tamim-pisalasalana tamin'ilay lahatsoratra hafahafa  [1]tao amin'ny kaonty Facebook-n'i Aisultan Nazarbayev tamin'ny 23 janoary lasa teo ireo mpiserasera Kazakh fa toa hita fa mitsikera ny polisy sy ny biraom-panjakana ity lehilahy 28 taona ity.

“Noho ry zareo, olona tsy manana pasipaoro na fisoratana anarana aho ankehitriny”, hoy izy nanoratra, manondro ireo manampahefana misahana fifindramonina.

Tao anatin'ny ora vitsy voalohany, efa nozaraina in-jato mahery ny lahatsoratra, izay nanomboka tamin'ny fanontaniana filôzôfika.

Что такое Родина?�Для кого-то это просто место, где ты прописан по паспорту. Для кого-то это место, где тебе хорошо. А для кого-то это страна, с которой ты связан, как дерево корнями связано с землей, и не важно, стоит ли прописка в твоем паспорте и хорошо ли тебе там.

Inona no atao hoe Tanindrazana? Ho an'ny sasany, toerana fotsiny nisoratana tamin'ny pasipaoro izany. Ho an'ny hafa, toerana iray izay hahatsapanao fahasambarana izany. Ary ho an'ny olon-kafa, firenena ifandraisanao, toy ny hazo mifamatotra amin'ny fakany ambany tany izany, tsy olana raha misy hajia fisoratana anarana ao amin'ny pasipaoronao na mahatsapa fahasambarana ihany koa ianao na tsia.

Na dia tsy nisy porofo avy hatrany aza fa i Aisultan Nazarbayev tenany ihany no nanoratra ny lahatsoratra, dia nifanaraka tamin'ny fangatahany ampahibemaso tany taloha izany.

Ankoatra izay, tamin'ny volana lasa teo dia nisaotra ny manampahefana Rosiana izy noho ny nametrahany azy ho “afaka indray, amin'ny hevin-teny feno” tamin'ny lahatsoratra saro-takarina  [2]izay tsy nety nohazavainy.

Efa tamin'ny fotoana talohan'ny nahazoan'ny firenena ny fahaleovantena avy amin'ny Firaisana Sovietika tamin'ny taona 1991 ny fitondrana jadon'i Nursultan Nazarbayev an'i Kazakhstan.

Aisultan Nazarbayev no zanakalahin'ny zanany vavimatoa, Dariga, 55 taona.

Tamin'ny taona 2017, fony izy mbola filoha lefitry ny federasionan'ny baolina kitra ao amin'ny firenena, niaiky [3] i Aisultan Nazarbayev fa nanampy azy hiala tamin'ny fiankinan-doha tamin'ny rongony ny raibeny mpanao didy jadona.

Talohan'ny nidirana tamin'io asa io, nanakiana mafy ny manampahefanan'ny baolina kitra Kazakhstan i Aisultan ary indrindra ny filohan'ny federasiona tamin'izany fotoana izany, izay mpomba ny filoha sady lehiben'ny ekipan'ny prezidansa tao amin'ny firenena ihany koa.

Nandao ny asany i Aisultan herintaona latsaka taty aoriana ary nanjavona avy hatrany tsy hitan'ny vahoaka.

Naneho hevitra indray izy tamin'ny 23 Janoary tao amin'ny Facebook, namely ireo sampan-draharaham-panjakana ao amin'ny repoblika Sovietika teo aloha misahana ny fifindra-monina, izay nofaritany ho “helo tsotra izao.”

Saingy niezaka mafy haneho an'i Aisultan “toy ny olom-pirenena tsotra” ao amin'ny iray amin'ireo firenena ankahalaina “Foiben'ny Fiahiam-bahoaka” ireo mpiserasera.

Voamarika fa mampihatra fomba samihafa amin'ny tolotra ho an'ny mpanjifa ireo foibe misahana ny olana fisoratana anarana ho an'ny olom-pirenena sy ny vahiny.

Почему то мне не верится, что ” автор” сам ходил в ЦОН.

Nahoana no tsy mino aho fa nitsidika ny (foibe fisoratana anarana) ity “mpanoratra” tenany ity?

Полетят головы клерков

Harary an-doha ireo mpamoaka taratasy ireo ankehitriny.

Nangina nandritra ny taona

Ny mahagaga indrindra ho an'ireo mpiserasera maro namaly ny lahatsoratra dia ny filazan'i Aisultan Nazarbayev fa nandany fotoana tao amin'ny “fonja Rosiana tsy miankina” izy.

“Noafahana tamin'ny fanagadrana tao amin'ny fonja Rosiana tsy miankina iray aho, niverina tany (Kazakhstan) tsy misy ny antontan-taratasiko aho- nangalarina sy nosimbaina avokoa ny zava-drehetra,” hoy i Nazarbayev nanoratra, tsy nanambara ny anton'ny fanagadrana azy.

Misy zavatra ity! Nilaza tao amin'ny pejiny Facebook 12 minitra lasa izay i Aisultan Nazarbayev, zafikelin'ny filoha fa tsy manana zom-pirenena izy amin'izao fotoana izao ary nogadrain'ny “olona akaiky” natokisany tao amin'ny fonja rosiana

Nanjaka nandritra ny fotoana fohy ny tombatomban'ny daholobe momba ny toerana misy an'i Aisultan noho ny fahanginany tao amin'ny media sosialy nandritra ny herintaona taorian'ny nandaozany ny asany teo amin'ny baolina kitra.

Raha niaiky i Aisultan fa tokony afaka nifandray tamin'ny raibeny lehilahy mahery 78 taona izy mba hanampy amin'ny famahana ny olany amin'ny tsy fisiana antontan-taratasy, dia nilaza izy fa “menatra ny hanelingelina ny mpitarika ny firenena amin'ny olana iray izay tokony ho voavaha vetivety.”

Hifarana amin'ny taona 2020 ny fe-potoam-piasan'ny filoha Nursultan Nazarbayev. Tsy mbola nanondro mpandimby izy, saingy nilaza [6] izy tamin'ny tafatafa tamin'ny taona 2016 fa tsy mikasa ny hanolotra ny fahefan'ny firenena manana vahoaka 18 tapitrisa ho an'ny zanany.