- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mbola notanana ilay mpanoratra an-tserasera Ejiptiana sady bilaogera ary nahazo fandrahonana ho faty ny fianakaviany

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nahazo fandrahonana ho faty ny renin'ilay bilaogera Ejiptiana sady mpanoratra an-tserasera Reda Abdul Rahman sy ireo anabaviny roa raha nikasa hanontany ireo mpitandro ny filaminana momba ny toerana misy an'i Abdul Rahman izay nalain'ny [1] Fiarovam-pirenena misahana ny Fanadihadiana an-keriny ny volana Janoary 2008 izy ireo.

Nandeha tany amin'ny foiben'ny mpitandro filaminana ny renin’ Atoa Redda Abdel-Rahman Ali, sy ireo zanany roa vavy (Azza sy Hebba) ary niezaka nihaona tamin'ilay tompon'andraikitra, izay nidaroka ilay renim-pianakaviana sy ireo zanany vavy ary naniratsira azy tamin'ny teny fanompana ratsy indrindra.

Araka ny fanambarana navoakan'ny Foibe Koranika Iraisampirenena [2], FTMF=ONG iray misahana ireo olona izay mino ny Korany Masina ho loharanom-pinoana tokana, fantatra amin'ny hoe Koranika:

He [the officer in charge] then ordered his troops to point their guns towards them and threatened them with death if they do not leave the place immediately, he himself drew his gun and pointed it at them with the same threats. He also threatened one of the daughters that he would arrest her and get her kicked out of her university. His troops followed his orders and pushed and shoved the mother and both her daughters out of the building, committing in the process some sexual harassment to all of them,

Nanome baiko ny ekipany izy [ilay manampahefana tompon'andraikitra] hanambana basy azy ireo ary handrahona azy ireo ho faty raha tsy mandao ilay toerana avy hatrany ry zareo, ary namoaka ny basiny ihany koa izy ary nanambana azy ireo tamin'ny fandrahonana mitovy amin'izany. Nandrahona ny iray tamin'ireo zanany vavy ihany koa izy fa hoe hisambotra azy ary handroaka azy hiala ao amin'ny oniversite. Nanaraka ny baikony ny ekipany ary nanosika sy nandroaka ny reniny sy ireo zanany vavy roa hivoaka ny trano, sady nanome fanorisorenana ara-nofo azy rehetra ireo.

Mpiasa ara-tsosialy ao amin'ny Ivontoeram-pivavahana izay mikambana amin'i Al-Azhar i Abdel Rahman, 32 taona. Mpikambana ao amin'ny fianakavian'i Ahmed Sobhi Mansour izy. I Mansour no heverina ho Mpanorina ny Korainista.

Nosamborina tamin'ny volana Oktobra 2008 i Abdel Rahman. Nalain'ny mpitandro filaminana tany an-tranony izy ary nentiny tany amin'ny toerana tsy fantatra. Nalain'izy ireo ny solosainany sy ny kapila CD maro tao an-tranony.

Nanoratra izy ny volana Jolay 2008  tao amin'ny bilaoginy, Rariny-Fahalalahana-Fandriampahalemana [3] fa nohadihadiana tao amin'ny Sampan-draharaha misahana ny raharaha ara-pitsarana Sheikdom ao Al-Azhar [4] izy noho lahatsorany ary noterena hanao sonia fankatoavana fa tsy hamoaka lahatsoratra toy izany na resaka fivavahana hafa amin'ny manaraka.

Ny Hetsika Ejiptiana ho an'ny Zon'olombelona Manokana, ​​FTMF=ONG Ejiptiana tsy miankina iray no nanao antso tany amin'ny Minisiteran'ny Atitany mba hanafaka an'i Abdel Rahman [1]. Nilaza ny hetsika fa nahazo vaovao izy ireo fa tsy nomena sakafo i Abdel Rahman tany am-ponja. Tao amin'ny fitarainana iray nalefa ho an'ny lehiben'ny fampanoavana Ejiptiana roa andro lasa izay, dia nangataka tamin'ny Minisiteran'ny Atitany ny hetsika mba hanambara ny toerana misy an'i Abdel Rahman sy hamela azy hifandray amin'ny mpisolovavany sy ny havany.

Namaritra ny fisamborana an'i Abdel Rahman ho “politikan-tsetrasetra mitohy hampihorohoroana ny vahoaka Korana any Ejipta” ny Foiben'ny Korany Masina Iraisampirenena.