- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

A4: Fampahafantarana ny “The Circumventer (Ilay Mpandingam-pibahanana)”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Yemen, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2009)

Manoratra [1] ny tafatafa niarahany tamin'i Walid Al-Saqaf, Yemenita manam-pahaizana momba ny aterineto monina ao Soeda i Alexandra Sandels, avy ao amin'ny MENASSAT, izay niresahana ny fanombohan'ny fandaharan'asany vaovao antsoina hoe Al-Kasir (midika hoe fandinganana sivana amin'ny teny Arabo) – nandritra ny fihaonambe momba ny bilaogy tao Kairo izay nitondra ny lohateny hoe “Mibilaogy ho an'ny ho avy [2]“.
Rindrambaiko vaovao natao hialàna amin'ny fanakanana aterineto ao Afovoany Atsinanana sy mihoatra, izay efa azo jerena amin'ny endrika andrana Beta [3] ny Al-Kasir, ka ahafahan'ny mpiserasera aterineto miditra amin'ireo tranonkala voasakana.
Azonao atao ihany koa ny mamaky ny lahatsoratr'i Esra tao amin'ny Mideast Youth [4] mikasika ny mampiavaka ny Al-Kasir amin'ireo fitaovana hafa mitovy aminy, sy ny tombontsoa entiny hoan'ireo mpiserasera ao Afovoany Atsinanana.