A4: Fampahafantarana ny “The Circumventer (Ilay Mpandingam-pibahanana)”

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2009)

Manoratra ny tafatafa niarahany tamin'i Walid Al-Saqaf, Yemenita manam-pahaizana momba ny aterineto monina ao Soeda i Alexandra Sandels, avy ao amin'ny MENASSAT, izay niresahana ny fanombohan'ny fandaharan'asany vaovao antsoina hoe Al-Kasir (midika hoe fandinganana sivana amin'ny teny Arabo) – nandritra ny fihaonambe momba ny bilaogy tao Kairo izay nitondra ny lohateny hoe “Mibilaogy ho an'ny ho avy“.
Rindrambaiko vaovao natao hialàna amin'ny fanakanana aterineto ao Afovoany Atsinanana sy mihoatra, izay efa azo jerena amin'ny endrika andrana Beta ny Al-Kasir, ka ahafahan'ny mpiserasera aterineto miditra amin'ireo tranonkala voasakana.
Azonao atao ihany koa ny mamaky ny lahatsoratr'i Esra tao amin'ny Mideast Youth mikasika ny mampiavaka ny Al-Kasir amin'ireo fitaovana hafa mitovy aminy, sy ny tombontsoa entiny hoan'ireo mpiserasera ao Afovoany Atsinanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.