- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kaonty Twitter iray mankalaza ny vehivavy ao Japan, fampahafantarana fohy iray isan'andro

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Vehivavy sy Miralenta
nakano [1]

Sarin'ny mpiantsehatra iray maka sary ho Nakano Takeko [1], vehivavy mpiady malaza sady mpitari-tafika niady sy maty nandritra ireo taona farany nisian'ny Shogunate tao Japan. Sary avy amin'ny Wikipedia [2], azon'ny rehetra ampiasaina.

Tetikasa iray mamoaka fampahafantarana fohy ireo vehivavy malaza ao Japan iray isan'andro ao amin'ny Facebook [3] sy Twitter [4] ny Celebrating Women in Japan [4] [fankalazana ny vehivavy ao Japan].

Iray amin'ireo vehivavy vao nampahafantarina vao haingana ilay Rumiko Takahashi, mpamorona tantara an-tsary mangà manana ny lazany [5].

Omaly i Rumiko Takahashi nahazo ny Loka Lehibe tao amin'ny fetibe iraisampirenen'ny tantara an-tsary ao Angouleme noho ny fandraisany anjara tamin'ny fampivoarana ny manga. Arahabaina. Nofariparitana ho ‘maoderina indrindra’ ny asa nataony.

Melanie Brock [10], mpanolotsaina iray eo amin'ny sehatry ny fihariana iraisampirenena ao Japan no mitarika izao tetikasa izao ary nakana aigam-panahy avy amin'ny fanentanana mitovitovy amin'izao notarihan'i Kirstin Ferguson [11] tamin'ny taona 2017. Nokendren'i Ferguson, avy ao Aostralia, tamin'izany ny hanoherana an-tserasera ny fihoaram-pefy atao mandrakariva amin'ny vehivavy. Nampiasaina tamin'izany ny farangoteny #celebratingwomen [12] ho “fomba iray hisian'ny fankalazana bebe kokoa ny vehivavy mihoatra noho ny fanaratsiana.”

Matetika ireo vehivavy ampahafantarin'ny fankalazana ny vehivavy ao Japan no manana tolo-kevitra ho an'ny vehivavy hafa miezaka ny hahomby amin'ny asany na amin'ny fiainany amin'ny ankapobeny. Keiko Kojima [13], Japoney mpampianatra sekoly ambony iray, olona manana ny lazany amin'ny televiziona ary mpanao tantara foronina, no vehivavy voalohany nanaovan'ny fankalazana ny vehivavy ao Japan antsafa voalohany tamin'ny taona 2018 [14]. Ny soso-keviny?

Soso-kevitra ho an'ny tanora. Tadiavo izay namana ahafahanao manana resaka manorina. Eritrereto tsara ny karazana tontolo tianao iainana. Miezaha mafy hananganana izany – ary mitsikia hatrany mandritra izany. Ataovy izay rehetra azonao atao mba hananganana izany toerana izany.

Tsy voatery ho olona avy ao na tao Japan avokoa ny vehivavy ampahafantarin'ny Fankalazana ny vehivavy avy ao Japan. Monina manodidina ny tanànan'i Hiroshima any Japan andrefana, mpandraharaha sy mpandika teny ary olo-malaza amin'ny fampitam-baovao nahomby i Rachel Nicholson:

Tonga tao Hiroshima amin'ny maha-mpandika teny azy i Rachel Nicholson tamin'ny taona 2006 nialoha ny nanarahany ny fitiavany manao mofo sy mofomamy ary niara-nanokatra tamin'olon-kafa toeram-pisakafoanana kely iray. Tamin'ny taona 2017 izy niverina indray tamin'ny fitiavany voalohany tamin'ny fanoratana ary amin'izao fotoana izao izy mandany ny androny amin'ny maha-mpanoratra teny roa, mpandika lahatsoratra, talenta amin'ny fahitalavitra, ary amin'ny maha-mpahay sakafo azy.

Ny zavatra iraisan'ireo olona lazaina isan'andro ireo dia fahitana azy ireo ho avy amin'ny sarangam-piainana rehetra ary samy manana ny fanambiny sy ny fahombiazany manokana.

Anio isika mankalaza an'i Azusa Shiota. Vao haingana i Azusa no vehivavy voalohany mpikambana ao amin'ny sampan-draharahan'ny polisy mpamonjy voina mpiditra an-tsehatra voalohany amin'ny fanavotana olona ao Japan