Tantara tamin'ny 19 Febroary 2019
Mbola notanana ilay mpanoratra an-tserasera Ejiptiana sady bilaogera ary nahazo fandrahonana ho faty ny fianakaviany
Nahazo fandrahonana ho faty ny renin'ilay bilaogera Ejiptiana sady mpanoratra an-tserasera Reda Abdul Rahman sy ireo anabaviny roa raha nikasa hanontany ireo mpitandro ny filaminana momba ny toerana misy an'i Abdul Rahman izay nalain'ny Fiarovam-pirenena misahana ny Fanadihadiana an-keriny ny volana Janoary 2008 izy ireo.
A4: Fampahafantarana ny “The Circumventer (Ilay Mpandingam-pibahanana)”
Manoratra ny tafatafa niarahany tamin'i Walid Al-Saqaf, Yemenita manam-pahaizana momba ny aterineto monina ao Soeda i Alexandra Sandels, avy ao amin'ny MENASSAT, niresaka momba ny fanombohan'ny fandaharan'asany vaovao antsoina hoe Al-Kasir (midika hoe fandinganana sivana amin'ny teny Arabo).
Iran: Azo idirana indray ny FaceBook
Mitatitra ny tranokalam-baovao sy ny bilaogy Iraniana fa tsy voasivana intsony ny FaceBook any Iran. Milaza i Senoghteh fa nanery ny governemanta Iraniana hamerina indray ny FaceBook ny hetsika nasionaly sy iraisampirenena.
Iran: Voasivana ny Facebook sy Twitter
Tranonkala sy bilaogy Iraniana maro tahaka ny demokracy no nitatitra fa voasivana ny Facebook sy Twitter any Iran. Nilaza i Ghomar, fa te-handresy ny mpifanandrina aminy amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny filoha Ahmadinejad satria maro kokoa izy ireo ao amin'ny tontolon'ny aterineto, tafiditra amin'izany ny Facebook.
Kaonty Twitter iray mankalaza ny vehivavy ao Japan, fampahafantarana fohy iray isan'andro
Ny zavatra iraisan'ireo olona lazaina isan'andro ireo dia fahitana azy ireo ho avy amin'ny sarangam-piainana rehetra ary samy manana ny fanambiny sy ny fahombiazany manokana.