- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanentanana #MetooUyghur mangataka amin'ny governemanta shinoa hanaporofo fa mbola velona ireo Xinjiang nofonjaina

Sokajy: Shina, Tiorkia, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
[1]

Tambatamba-tsarin'ireo Uighurs nanjavona ao Xinjiang. Sary fanentanana #MetooUyghur mandeha ao amin'ny media sosialy.

Koa satria moa mbola mandeha hatrany ny tantara fikarakarana ratsy sy fampijaliana any amin'ireo As stories of ill treatment and torture in China's “toby fanarenana” [2] any amin'ny faritra andrefan'ny faritanin'i Xinjiang ao Shina, dia mitaky ny hamoahan'i Beijing vaovao momba ireo havana sy namana nanjavona ny vondrom-piarahamonina Uyghur ivelan'i Shina.

Nipongatra avy amin'ny famoahan'ny manampahefana shinoa lahatsary ahitana mpihira malaza iray antsoina hoe Abdurihim Heyit sady voafonjan'ny toby nilazany tamin'ny mpijery fa tsy nampijaliana ho faty tao amin'ny fonjan'i Xinjiang izy ny fanentanana media sosialy #MeTooUyghur.

Nalaza haingana dia haingana tao amin'ny sehatra media sosialy isan-karazany ny siosion-dresaka tamin'ny 8 sy 9 febroary fa maty i Heyit. Avy eo tamin'ny 10 febroary, namoaka fanambaràna henjana mitsikera ny politikan'i Shina ao Xinjiang ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ao Torkia ary miantso ny hamaranana hatreo ny toby fiarenana.

Niteny [3] ny mpitondrateny Hami Aksoy : [3]

Systematic assimilation policy of Chinese authorities towards Uighur Turks is a great embarrassment for humanity…It is no longer a secret that more than one million Uighur Turks, who are exposed to arbitrary arrests, are subjected to torture and political brainwashing in concentration centers and prisons.

Mahasahiran-kevitra tokoa ho an'ny zanak'olombelona ny politika fampiatiana hatrany ataon'ny manampahefana shinoa amin'ireo Tiorka Oighoro… Tsy tsiambratelo intsony fa mihoatra ny iray tapitrisa ny Tiorka Oighoro, no samborina araka ny tondromolotra, azo ampijaliana sy sasàna atidoha ara-politika any amin'ireo foibe famondronan'olona sy fonja.

Tonga hatrany amin'ny filazana moa i Aksoy fa maty i Hyeit:

In such an environment, we’ve learned with great sorrow that dignified poet Abdurehim Heyit, who was sentenced to eight years in prison for his composition, died in the second year of his imprisonment.

Ao anatin'izany tontolo izany izahay no nahare tao anatin'ny alahelo be fa maty nandritra ny taona faharoa namonjana azy ilay poeta mamirapiratra Abdurehim Heyit, izay nohelohina valo taona noho ny asakantony.

Kinga amin'ny fitendrena dutar i Heyit izay nogadraina valo taona am-ponja noho ny iray amin'ny hirany.

Ny ampitso, namoaka lahatsary ny mpitondratenin'ny minisiteran'ny raharahambahiny shinoa Hua Chunying hanaporofoana fa mbola velona i Abdurehim Heyit. Ao amin'ny lahatsary ilay Uyghur poeta nilaza fa tsy nampijaliana izy ary salama tsara.

Nantsoin'i Hua ho “fahadisoana goavana” ny fanambaràn'i Torkia ary nolazainy fa “lainga feno hevi-dravina” ny tatitra fahafatesan'i Heyit. Nolazainy fa eo ambany fanadihadiana eo amin'ny sehatry ny fiarovam-pirenena i Heyit.

Tsy nampangina ny fihenjanan'ny olona momba ny fikarakarana ireo voahazona ny famoahana ny lahatsary. Nanomboka nampiasa ny farangon-teny #MetooUyghur handrisihana ny governemanta shinoa hanaporofo fa mbola velona ao Xinjiang ny tapaka sy namany ny vondrom-piarahamonina Uyghur manerana izao tontolo izao.

Nanambara ny fanentanana tao amin'ny Twitter i @HalmuratU, mpikatroky ny zon'olombelona mipetraka ao Finland manan-dray nanjavona ao Xinjiang:

Miangavy mandraisa anjara amin'ny fanentanana amin'ny media sosialy ny #MeTooUyghur [4]!
Araka ny fantatrareo namaly ny raharaham-panafintohinana Abdurehim Heyts tamin'ny famoahana ny lahatsariny mampiseho fa velona izy ny manampahefana shinoa. Ka mbola velona koa ve ny voahazona an-tapitrisany?
Hetsika kely, fiantraikany ngeza! Mikaonty ny hetsikao, miangavy miaraha aminay! #MeTooUyghur [4]

Nahazo fifantohana sy akony betsaka ny fanentanana. Namoaka ny sarin'ny rainy, ny reniny, ireo rahalahiny sy anabaviny tao amin'ny Twitter i @TarimUyghur ary nanontany an'i Beijing hampiseho ny lahatsarin'izy ireo hanaporofoana fa mbola velona ry zareo:

#MeTooUyghur [4]
Ry AKS, aiza ny raiko, ny reniko, ny rahalahiko ary ny anabaviko.
Ry governemantan'i Shina, asehoy koa ny lahatsarin'izy ireo tahaka ny nanaovanareo ny an'i #AbdurihimHeyit [7]
Aiza ry zareo?

Nahamarika ny fanentanana ny governemanta shinoa. Ilay mpitondratenin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny Hua Chunying no niteny [11] tamin'ny mpanangom-baovao tamin'ny 12 Febroary:

China has more than 1 billion people, do we need to release a video of everyone?

Manana mponina 1 miliara i Shina, mila mamoaka ny lahatsarin'ny tsirairay ve izahay?

Namerina ny antso avy amin'ny fanondroana zary mampitsiky amin'ny fisian'ireo fitaovam-panarahamaso mavesatra naelin'i Shina any Xinjiang i @ferkat_jawdat, izay manan-dreny mbola voahazona any amin'ny toby fiarenana ao Xinjiang:

Nandritra ny tafatafa fohy tamin'ny talata, nilaza momba ny fanentanana #MeTooUyghur [4] i Hua Chunying, mpitondratenin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny shinoa. “Manana mponina 1 miliara i Shina, mila mamoaka ny lahatsarin'ny tsirairay ve izahay?” ENY, azonareo atao izany rehefa manana fakantsary roa isaky ny olona tsirairay ianareo!!!